FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hopima”
  • Hopima

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hopima
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Hofama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Benjamina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Bela, I
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hopima”

HOPIMA

(Hopìma).

Zanakalahin’i Benjamina na taranany. Ahitana ny anaran’i Hopima ao amin’ny lisitr’ireo niaraka tamin’ny ankohonan’i Jakoba tany Ejipta tamin’ny 1728 T.K. Mety ho teraka tany Ejipta tamin’ny fahavelon’i Jakoba koa anefa izy. (Ge 46:8, 21) Asehon’ny andinin-teny hafa fa mety ho zafikelin’i Benjamina na zafiafiny avy tamin’i Bela sy avy tamin’i Iry i Hopima. (1Ta 7:6, 7, 12; mety ho izy ihany ilay Horama ao amin’ny 8:1-5.) Azo inoana fa mbola tsy loa-jafy i Benjamina tamin’izy tonga tany Ejipta, raha ny fotoana no jerena. Mety ho izay rehetra teraka tamin’ny fahavelon’i Jakoba àry no tian’ny Genesisy 46:8 horesahina, izany hoe, ireo teraka talohan’ny nahatongavan’i Jakoba tany Ejipta sy ireo teraka taorian’ny nahatongavany tany. (Jereo BENJAMINA No. 1.) Taranak’i Hopima (Hofama) ny fianakavian’ny Hofamita. Anisan’ireo nisaina tao amin’ny fokon’i Benjamina izy ireo, tamin’ilay fanisam-bahoaka faharoa natao tamin’ny Israelita tany an-tany efitra. (No 26:1-4, 38, 39) Miresaka momba an’i Manase ny 1 Tantara 7:14, 15 kanefa voalaza ao koa ny anaran’i Hopima. Tsy fantatra izay fifandraisana nisy teo amin’izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara