FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Itoria”
  • Itoria

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Itoria
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Jetora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Heroda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Trakonitisy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • B10 Israely Tamin’ny Andron’i Jesosy
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Itoria”

ITORIA

(Itorìa).

Faritra kely tany avaratratsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Niovaova ny sisin-tanin’izy io, ka tsy voafaritra tsara.

Toa avy amin’ny anaran’i Jetora zanakalahin’i Ismaela no niavian’ny hoe Itoria. Nonina tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana ny taranak’i Jetora, ary resin’ny Israelita. (Ge 25:15, 16; 1Ta 1:31; 5:18-23) Nandresy an’i Itoria i Aristobolo I, mpanjaka makabeo tany amin’ny faramparan’ny taonjato faharoa T.K. Nisy ampahany lehibe tamin’i Itoria nalainy ary nataony ho anisan’ny faritanin’i Joda. Tsy maintsy noforana sy nanaraka ny lalàna jiosy ireo mponin’i Itoria vao nahazo nijanona tao amin’ilay tany. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 318 [xi, 3]) Tatỳ aoriana izy io dia lasa anisan’ny faritra niandraiketan’i Filipo, sady nolovany avy tamin’i Heroda Lehibe, rainy.​—Lk 3:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara