FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Jahaziela”
  • Jahaziela

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jahaziela
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Sekania
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Simea
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jeiela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Jahaziela”

JAHAZIELA

(Jahazièla) [Hijery Anie Andriamanitra; Nijery Andriamanitra].

1. Zanakalahin’i Hebrona ary ny anarany no voatonona fahatelo. Kehatita avy tamin’ny fokon’i Levy izy.​—1Ta 23:6, 12, 19; 24:23.

2. Anisan’ny lehilahy mahery niandany tamin’i Davida tany Ziklaga.​—1Ta 12:1, 4.

3. Anisan’ny mpisorona nitsoka trompetra teo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena, izay efa nentin’i Davida tao Jerosalema.​—1Ta 16:1, 6.

4. Levita nomen’i Jehovah ny fanahiny mba hampahery an’i Josafata Mpanjaka sy ny fiangonan’Israely, rehefa nisy fahavalo nandrahona azy ireo. Hoy izy: “Izao no lazain’i Jehovah aminareo: ‘Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin’io vahoaka be io, satria tsy anareo ny ady fa an’Andriamanitra. ... Tsy mila miady ianareo amin’ity indray mandeha ity. Samia maka ny toerany ka mijoroa tsara fotsiny, ary jereo ny famonjen’i Jehovah anareo.’” (2Ta 20:14-17) Zanak’i Zakaria, taranak’i Asafa avy amin’ny Levita fianakavian’i Gersoma (Gersona [Ge 46:11]) i Jahaziela. Tsy mpisorona àry izy.​—1Ta 6:39-43.

5. Rain’i Sekania, izay anisan’ireo niara-niverina tamin’i Ezra tany Jerosalema tamin’ny 468 T.K.​—Ezr 8:1, 5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara