JEHIZKIA
(Jehizkìa) [midika hoe “Hanatanjaka Ahy Anie i Jehovah; Nanatanjaka Ahy i Jehovah”].
Zanakalahin’i Saloma, ary mpitarika efraimita. Tsy nanaiky ny hamaboan’ny Israelita an’ireo rahalahiny jodianina izy, rehefa resin’i Peka mpanjakan’ny Israely ny Joda. Nanampy an’ireo babo kosa izy.—2Ta 28:6, 8, 12-15.