FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Jetro”
  • Jetro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jetro
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Hobaba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nahoana no Nandositra i Mosesy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Regoela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ilay Roimemy Nirehitra
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Jetro”

JETRO

(Jètro) [avy amin’ny fototeny midika hoe “manana amby ampy; mihoatra”].

Rafozandahin’i Mosesy izy, ary Kenita. (Ek 3:1; Mpts 1:16) Nantsoina koa hoe Regoela izy. (No 10:29) Anaram-boninahitra angamba ilay hoe Jetro, fa Regoela no tena anarany. Matetika anefa ny Arabo mpiadidy no nanana anarana roa na mihoatra, araka ny asehon’ny asa soratra maro. Nataon’ny Masoreta hoe “Jatera” ny anaran’i Jetro ao amin’ny Eksodosy 4:18.

“Mpisorona tany Midianina” i Jetro. Nahoana no mety ny niantsoana azy hoe “mpisorona [na mpiadidy] tany Midianina”? Satria izy loham-pianakaviana nanan-janaka maro (fara fahakeliny, fito vavy sy lahy iray voatonona anarana), ary namelona azy ireo sy nitarika azy ireo teo amin’ny lafiny ara-pivavahana. (Ek 2:15, 16; No 10:29) Tsy voatery hidika izany hoe nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo. Mety ho nampianarina ny fivavahana marina ihany anefa ny razamben’i Jetro ka angamba mbola nanaraka izany ilay fianakaviana. Na izany na tsy izany, dia hita tamin’ny zavatra nataony fa tena nanaja ny Andriamanitr’i Mosesy sy ny Israely i Jetro.​—Ek 18:10-12.

Nifandray voalohany tamin’ilay ho vinantolahiny i Jetro, taoriana kelin’ny nandosiran’i Mosesy avy tany Ejipta tamin’ny 1553 T.K. Nanampy an’ireo zanakavavin’i Jetro hampisotro rano ny andian’ondrin-drainy i Mosesy tamin’izay. Noresahin’izy ireo tamin-drainy izany, ka nampiantrano an’i Mosesy i Jetro. Nipetraka tao aminy i Mosesy taorian’izay, ary tatỳ aoriana dia nanambady an’i Zipora zanany vavy. Nikarakara ny andian’ondrin’i Jetro teny akaikin’ny Tendrombohitra Horeba (Sinay) i Mosesy, nandritra ny 40 taona teo ho eo. Nasain’i Jehovah niverina tany Ejipta izy, taorian’izay, ka hoy i Jetro taminy: “Mandehana soa aman-tsara.”​—Ek 2:15-22; 3:1; 4:18; As 7:29, 30.

Ren’i Jetro, tatỳ aoriana, fa resin’i Jehovah tanteraka ny Ejipsianina. Nankany amin’i Mosesy tany Horeba avy hatrany izy, ary nentiny koa i Zipora sy izy mirahalahy zanak’i Mosesy. Azo antoka fa tena faly izy ireo rehefa nifankahita. Nidera an’Andriamanitra i Jetro, rehefa avy notantarain’i Mosesy taminy ny fomba mahagaga namonjen’i Jehovah ny Israelita. Niaiky i Jetro hoe: “Fantatro izao fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Jehovah.” Nanao fanatitra ho an’ilay tena Andriamanitra izy avy eo. (Ek 18:1-12) Voamariny, ny ampitson’iny, fa “nanomboka tamin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro” dia nihaino ny olana nahazo an’ireo Israelita i Mosesy. Hitany fa tena nandreraka an’i Mosesy sy ny vahoaka izany, ka nanoro hevitra an’i Mosesy izy mba hanome fahefana olon-kafa. Hoy izy: ‘Mampiofàna lehilahy mahay sy azo itokisana mba ho lehiben’ny folo, lehiben’ny dimampolo, lehiben’ny zato, ary lehiben’ny arivo. Hitsara ny vahoaka izy ireo. Amin’izay dia ny raharaha tsy voalamin’izy ireo ihany no hohenoinao.’ Neken’i Mosesy izany. Nody tany amin’ny taniny i Jetro, taorian’izay.​—Ek 18:13-27.

Niangavy an’i Hobaba, zanakalahin’i Jetro, i Mosesy mba hitari-dalana ny Israelita. Toa nila noresena lahatra izy vao nanaiky, ary nisy taranany niara-niditra tamin’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (No 10:29-33) Toa milaza ny Mpitsara 4:11 fa rafozandahin’i Mosesy i Hobaba fa tsy zaodahiny. Tsy fantatra àry izay tena marina. Ilay teny hebreo nadika matetika hoe “rafozandahy” anefa, dia ampiasaina koa mba hilazana izay lehilahy rehetra havam-bady. Mety hidika hoe “zaodahy” koa àry io teny io. Mifanohitra amin’ny andinin-teny hafa ny filazana hoe i Hobaba, fa tsy i Jetro, no rafozandahin’i Mosesy. Misy koa milaza fa anaran’i Jetro ihany ny hoe Hobaba. Raha izany no izy, dia nitovy anarana izy mianaka. Mety ho nampiasaina koa anefa ny hoe Hobaba ao amin’io andininy io mba hilazana fa izy no solontenan’ny rainy, noho izy lehiben’ireo Kenita taranak’i Jetro.​—Jereo HOBABA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara