HOBABA
(Hôbàba) [mety hidika hoe Malala].
Zaodahin’i Mosesy, ary zanak’i Regoela (Jetro). Midianita i Hobaba, ary avy amin’ny fokon’ny Kenita. (No 10:29; Ek 3:1; Mpts 1:16) Rehefa niala tao amin’ny faritry ny Tendrombohitra Sinay ny Israelita ka nankany amin’ny Tany Nampanantenaina, dia niangavy an’i Hobaba i Mosesy mba hiaraka tamin’izy ireo ka ho toy ny ‘maso’ ho azy ireo na hitari-dalana azy ireo. Nahay tsara an’ilay faritra mantsy i Hobaba. Nanda aloha izy, nefa toa niaraka tamin’ny Israelita ihany, satria voalaza fa nanorim-ponenana tany an-tany efitr’i Joda, tany atsimon’i Arada, ny Kenita taranany, ary mbola nonina tany tamin’ny andron’i Saoly sy Davida.—No 10:29-32; Mpts 1:16; 1Sa 15:6; 27:10; 30:26, 29.
Lazain’ny soratra nataon’ny Masoreta, ao amin’ny Mpitsara 4:11, anefa hoe rafozandahin’i Mosesy i Hobaba. (TV, JM, Da, Sg) Mety ho olona roa àry no nantsoina hoe Hobaba, izany hoe ny rafozandahin’i Mosesy sy ny zaodahiny. Mety ho marina izany, satria tsy iray monja ny anaran’ny rafozandahin’i Mosesy.—Ampit. Ek 2:16-22; 3:1.
Ahoana kosa raha olona iray monja no nantsoina hoe Hobaba, izany hoe ilay zanakalahin’i Regoela sady zaodahin’i Mosesy? Tsy maintsy noheverina ho solontenan’i Regoela rainy i Hobaba, raha izany, matoa nolazaina hoe rafozandahin’i Mosesy izy, ary azo inoana fa efa maty io rainy io tamin’izay.—Jereo JETRO; KENITA.