FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Keila”
  • Keila

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Keila
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Garmita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Bavay
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Saoly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Andron’i Davida
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Keila”

KEILA

(Keìla).

Tanàna voaro mafy tany Sefela, tany Joda. (Js 15:20, 33, 44; 1Sa 23:7) Ny taranak’i Kaleba angamba no nanorina azy io, na nifehy azy io nandritra ny fotoana kelikely. (1Ta 4:15, 19) Maro no milaza azy io ho i Kirbet Kila (Keila), izay eo an-tampon-kavoana, tokotokony ho 14 km any avaratrandrefan’i Hebrona. Mbola misy fambolem-bary toy ny tany Keila fahiny ihany ankehitriny any akaikin’i Kirbet Kila.​—Ampit. 1Sa 23:1.

Namonjy an’i Keila tsy ho azon’ny Filistinina i Davida, tamin’izy nenjehin’i Saoly Mpanjaka. Voatery niala tao anefa izy sy ireo lehilahy niaraka taminy, mba tsy hatolotry ny mponin’i Keila ho eo an-tanan’ny tafik’i Saoly.​—1Sa 23:5, 8-13.

Nonenana indray ilay tanàna taorian’ny sesitany tany Babylona. Rehefa namboarina indray ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Nehemia, dia efa nizara roa ny faritanin’i Keila, ka samy nanana ny ‘andrianany’ avy izy ireo.​—Ne 3:17, 18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara