FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kibrota-hatava”
  • Kibrota-hatava

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kibrota-hatava
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Nirenireny Tany An-tany Efitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Papelika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hazerota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Homera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kibrota-hatava”

KIBROTA-HATAVA

(Kibrôta-hatàva) [Fasan’ny Faniriana Mafy].

Toerana iray nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra. Tao Kibrota-hatava ny olona samihafa firenena teo anivon’izy ireo no nasesiky ny fitiavan-tena, ka naniry mafy hihinana ny sakafo tany Ejipta. (No 11:4; 33:16, 17; De 9:22) Maro no mihevitra an’i Kibrota-hatava ho i Roeisy el-Eberija, eo anelanelan’i Jebel Mosa (ilay toerana voalazan’ny lovantsofina fa nisy ny Tendrombohitra Sinay) sy Hazerota. Tao Kibrota-hatava i Jehovah no nanao fahagagana mba hanomezana papelika hohanin’ny toby manontolo nandritra ny iray volana. (No 11:19, 20, 31) Tsy nahalala onony anefa ny vahoaka, satria nanangona “folo homera” (2200 L) ireo “nanangona kely indrindra.” Voalaza fa “raha mbola teo am-bavany ny hena, ka mbola tsy voatsako akory, dia ... namely ny vahoaka i Jehovah, ka be dia be no maty.” Midika ara-bakiteny hoe ‘tsy misy intsony’ ilay teny hebreo nadika hoe “voatsako.” (Ampit. Jl 1:5.) Tsy voatery ho tsy voatsako ara-bakiteny àry ny hena tao am-bavany fa mety hidika kosa hoe mbola tsy “lany” (Prot., Kat.) ny hena rehetra voangony. Nalevina ny maty, ary nantsoina hoe Kibrota-hatava ilay toerana.​—No 11:32-35.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara