MPANJAKA, BOKIN’NY
Boky roa ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny tantaran’ny Israely, nanomboka tamin’ny faramparan’ny fiainan’i Davida Mpanjaka ka hatramin’ny nanafahana an’i Joiakina Mpanjaka avy tao amin’ny fonjan’i Babylona.
Horonana iray natao hoe Mpanjaka (heb.: Melakim) ireo boky roa ireo tany am-boalohany. Mbola boky iray ihany ireo ao amin’ny Baiboly hebreo, ary boky fahefatra amin’ilay fizarana hoe Mpaminany Fahiny. Fanjakana Fahatelo sy Fahefatra no anaran’izy ireo ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, fa ireo bokin’i Samoela no antsoina hoe Fanjakana Voalohany sy Faharoa. Bokin’ny Mpanjaka kosa no iantsoana azy efatra ireo ao amin’ny Vulgate latinina. Naleon’i Jérôme mantsy nampiasa ny hoe Regum (Mpanjaka) izay teny mifanitsy amin’ny anaran’ireo boky ireo amin’ny teny hebreo, toy izay nandika ara-bakiteny an’ilay hoe Regnorum (Fanjakana) ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo. Nozaraina roa ny bokin’ny Mpanjaka ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo, satria efa ho avo roa heny noho ny halavan’ilay boky amin’ny teny hebreo ilay izy. Misy zanatsoratra mantsy ny teny grika, fa ny teny hebreo kosa tamin’ny taona 500 tany ho any vao nasiana. Tsy mitovy ny fomba nizarana ny Samoela Faharoa sy ny Mpanjaka Voalohany ao amin’ireo Baiboly grika. Eo amin’ny 1 Mpanjaka 2:12 amin’ny Baibolintsika, ohatra, no manomboka ny Mpanjaka Voalohany ao amin’ilay Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo nohavaozin’i Lucien avy any Antiokia.
Ny mombamomba an’ireo boky. Tsy hita ao amin’ireo boky roa ireo ny anaran’ilay mpanoratra. I Jeremia anefa no nanoratra azy ireo, rehefa dinihina ny Baiboly sy ny lovantsofina jiosy. Teny hebreo maro ao amin’ny Mpanjaka sy ny bokin’i Jeremia mantsy no tsy hita ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Mifameno ireo boky ireo satria tsy resahina firy ao amin’ny Jeremia, ohatra, izay efa novelabelarina tao amin’ny Mpanjaka. Tsy mahagaga raha tsy hita ao amin’ny Mpanjaka ny anaran’i Jeremia na dia mpaminany nalaza aza izy, satria efa resahina imbetsaka ao amin’ilay boky mitondra ny anarany ny fanompoany. Mitantara ny toe-piainana tao Jerosalema taorian’ny sesitany ny bokin’ny Mpanjaka. Porofo izany fa i Jeremia no nanoratra azy ireo, satria tsy nentina tany Babylona izy.—Je 40:5, 6.
Misy manam-pahaizana milaza fa olona maromaro no nanoratra ny Mpanjaka. Mitovy ihany anefa ny fiteny, fomba fanoratra, voambolana, ary fitsipi-pitenenana hita ao amin’ireo boky ireo, ankoatra ny fahasamihafana kely avy amin’ireo loharanon-kevitra nampiasaina.
Mitantara an’izay nitranga nandritra ny 129 taona teo ho eo ny Mpanjaka Voalohany, nanomboka tamin’ny faramparan’ny fiainan’i Davida Mpanjaka (t. 1040 T.K.) ka hatramin’ny nahafatesan’i Josafata mpanjakan’ny Joda (t. 911 T.K.). (1Mp 22:50) Ny tantara ao amin’ny Mpanjaka Faharoa kosa naharitra 340 taona teo ho eo, nanomboka tamin’ny andron’i Ahazia Mpanjaka (t. 920 T.K.) ka hatramin’ny taona faha-37 nanaovana sesitany an’i Joiakina (580 T.K.). (2Mp 1:1, 2; 25:27-30) Ny tantaran’ny Hebreo nandritra ny 450 taona teo ho eo àry no resahin’ireo boky roa ireo. Taorian’ny 580 T.K. izy ireo no voasoratra, matoa mbola voaresaka ao izay nitranga tamin’io taona io. Tsy miresaka momba ny nifaranan’ny sesitany tany Babylona anefa izy ireo (horonana iray tamin’izany), ka azo inoana fa vita talohan’izay.
Toa tany Joda no nosoratana ny ampahany lehibe tamin’ireo boky ireo, satria tany no nisy ny ankamaroan’ny loharanon-kevitra. Tany Ejipta anefa no vita ny Mpanjaka Faharoa, satria nentina tany i Jeremia rehefa nisy namono tao Mizpa i Gedalia.—Je 41:1-3; 43:5-8.
Niaiky foana ny Jiosy sy ny olon-kafa fa anisan’ny Soratra Masina ny bokin’ny Mpanjaka. Asongadina ao mantsy ny loha hevitry ny Baiboly, dia ny hanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra sy ny hanatanterahany ny fikasany momba ny tany amin’ny alalan’ny Fanjakany hotantanan’i Kristy, ilay Taranaka nampanantenaina. Voaresaka betsaka ao koa i Elia sy Elisa ary Isaia, izay samy mpaminany nalaza, sy ny fahatanterahan’ny faminanian’izy ireo. Resahina sy hazavaina any amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly ny tantara ao amin’ny Mpanjaka. Intelo i Jesosy no niresaka momba an’izay voatantara ao: Momba an’i Solomona (Mt 6:29) sy ny mpanjakavavin’ny atsimo (Mt 12:42; ampit. 1Mp 10:1-9), ilay mpitondratena tao Zarefata, ary Namàna (Lk 4:25-27; ampit. 1Mp 17:8-10; 2Mp 5:8-14.). I Paoly kosa niresaka momba an’i Elia sy ireo olona 7000 tsy nandohalika tamin’i Bala. (Ro 11:2-4; ampit. 1Mp 19:14, 18.) I Jakoba indray nilaza fa nivavaka i Elia mba hisian’ny hain-tany sy hisian’ny orana. (Jk 5:17, 18; ampit. 1Mp 17:1; 18:45.) Anisan’ny Soratra Masina tokoa ny bokin’ny Mpanjaka matoa izy telo ireo niresaka momba ny olona voatantara ao.
Nampiasa loharanon-kevitra maro ilay nanoratra ny bokin’ny Mpanjaka, anisan’izany “ny boky mirakitra ny tantaran’i Solomona” (1Mp 11:41), “ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda” (1Mp 15:7, 23), ary “ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely” (1Mp 14:19; 16:14).
Natao tamin’ny 1008 ny iray amin’ireo sora-tanana hebreo tranainy indrindra ananantsika misy an’ireo bokin’ny Mpanjaka. Ao amin’ny Vaticanus No. 1209 sy ny Sora-tanana Alexandrinus ireo boky ireo (amin’ny teny grika), saingy tsy ao amin’ny Sora-tanana Sinaiticus. Nahitana ampahany amin’ny bokin’ny Mpanjaka vita talohan’ny andro kristianina kosa tao amin’ny lava-baton’i Qoumrân.
Nanome fanazavana momba ny mpanjaka tsirairay ilay mpanoratra, mba hahafantarana ny fotoana nitrangan’ny zavatra sasany sy ny fahitan’Andriamanitra an’ilay mpanjaka. Ny hoe nanompo an’i Jehovah izy ireo na tsia no tena nasongadiny. Mitovitovy foana amin’ny ankapobeny ny fanazavany momba ny mpanjaka tsirairay, rehefa avy nitantara ny fitondran’i Solomona izy. Nanomboka nifampidipiditra mantsy teo ny tantaran’ny fanjakan’ny Joda sy Israely. Rehefa hitantara momba ny mpanjakan’ny Joda izy, dia noresahiny aloha ny anaran’ny mpanjakan’ny Israely tamin’izany, avy eo ny taonan’ilay mpanjakan’ny Joda, ny faharetan’ny fitondrany, ny toerana nanjakany, ary ny anarana sy ny fianakavian-dreniny (mahaliana sy tena ilaina io fanazavana io satria nisy mpanjakan’ny Joda nanana vady maro). Rehefa hamarana ny tantaran’ny mpanjaka iray kosa izy, dia nilaza ny loharanon-kevitra nampiasainy, ny nandevenana an’ilay mpanjaka, ary ny anaran’ilay nandimby azy. Mitovitovy amin’ireo ihany no noresahiny momba ny mpanjakan’ny Israely, saingy tsy nolazainy ny taonan’ilay mpanjaka tamin’izy nahazo fahefana ary ny anarana sy ny fianakavian-dreniny. Tena ahalalana ny fotoana nitrangan’ny zavatra sasany ao amin’ny Baiboly ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa.—Jereo FANISAN-TAONA.
Tsy hoe mitantara na mitanisa an’izay nitranga fotsiny ny bokin’ny Mpanjaka, fa manazava ny hevitr’izy ireny koa. Izay misy ifandraisany amin’ny fikasan’i Jehovah sy ny fifandraisany tamin’ny vahoakany ihany no toa voatantara ao. Tsy nafenimpenina fa noresahina tamim-pahatsorana koa ny fahotan’i Solomona sy ny an’ny mpanjaka hafa tany Joda sy Israely.
Porofo hitan’ny mpikaroka. Nahita asa tanana tranainy maro ny mpikaroka, ary porofoin’izy ireny fa marina ireo tantara sy toerana resahin’ny bokin’ny Mpanjaka. Hamarinin’ny fikarohana sy izay hitantsika ankehitriny koa fa tena nisy ireo hazo sedera avy any Libanona, izay nanamboaran’i Solomona trano tao Jerosalema. (1Mp 5:6; 7:2) Voaporofo koa fa nisy fandrendrehana metaly teo amin’ny debok’i Jordana, izay nisy an’i Sokota sy Zaretana taloha.—1Mp 7:45, 46.
Nosoratan’i Farao Sisaka teo amin’ny rindrin’ny tempolin’i Karnak any Ejipta fa notafihiny i Joda tamin’ny andron’i Rehoboama. (1Mp 14:25, 26) Ilay Vatolahy Maintin’i Salmanesera hita tany Nimroud tamin’ny 1846 kosa ahitana irak’i Jeho miankohoka eo anoloan’i Salmanesera III mpanjakan’i Asyria angamba. Tsy miresaka momba izany ny bokin’ny Mpanjaka, nefa porofo izy io fa tena nisy i Jeho mpanjakan’ny Israely. Hamarinin’ireo sisan-javatra hita tany Samaria koa fa nanorina zavatra maro i Ahaba, anisan’izany ilay “trano ivoara natsangany.”—1Mp 22:39.
Ilay Vato Moabita nosoratan’i Mesa mpanjaka moabita kosa mitantara ny nikomiany tamin’ny Israely. (2Mp 3:4, 5) Ahitana an’ireo Litera Hebreo Efatra koa eo amin’izy io.
Misy ny anaran’i Peka ny tantara heverina fa nosoratan’i Tiglato-pilesera III. (2Mp 15:27) Hita ao amin’ny tantaran’io mpanjaka io sy ny soratra asyrianina fa nanafika an’i Israely izy. (2Mp 15:29) Nahitana anarana hoe Hosea koa ny soratra momba ny ady nataon’i Tiglato-pilesera.—2Mp 15:30; Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 282-284.
Tsy hita ao amin’ny tantaran’ireo ady nataon’i Sankeriba mpanjaka asyrianina hoe novonoin’ny anjely ireo miaramilany 185 000 nanafika an’i Jerosalema. (2Mp 19:35) Tsy mahagaga izany satria ny zava-bitany no tena nireharehany. Nahita takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika koa ny mpikaroka tany Babylona. Nohamafisin’ireny fa nigadra tany i Jaokino (Joiakina), ary nomena anjara sakafo avy tamin’ny mpanjaka.—2Mp 25:30; Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 308.
Faminaniana tanteraka. Misy faminaniana maromaro tanteraka ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka. Anisan’izany ny nanamelohan’i Jehovah ny taranak’i Ely (1Mp 2:27; ampit. 1Sa 2:31-36; 3:11-14), ny momba an’i Ahaba sy ny ankohonany (ampitahao 1Mp 21:19-21 sy 1Mp 22:38 ary 2Mp 10:17), ary ny momba ny fatin’i Jezebela. (Ampitahao 1Mp 21:23 sy 2Mp 9:30-36.) Nohamarinin’ny tantara koa fa tena noravana i Jerosalema.—2Mp 21:13.
Asongadin’ny bokin’ny Mpanjaka fa tena ilaina ny manao izay takin’i Jehovah, ary hahita loza izay tsy miraharaha ny lalàny. Asehony koa ny vokatry ny fankatoavana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny tsy fankatoavana azy, araka ny efa voalaza mialoha.
[Efajoro, pejy 474]
HEVITRA MISONGADINA: MPANJAKA VOALOHANY
Famintinana ny tantaran’ny fanjakan’ny Joda sy Israely, nanomboka tamin’ny faramparan’ny fiainan’i Davida ka hatramin’ny nahafatesan’i Josafata
Horonana iray taloha ny Mpanjaka Voalohany sy Faharoa
Nanana fahendrena niavaka i Solomona raha vao nanjaka, saingy nivadi-pinoana tatỳ aoriana
Nitetika ny ho mpanjakan’ny Israely i Adonia fa nosakanan’i Natana; lasa mpanjaka i Solomona (1:5–2:12)
Nangataka fahendrena i Solomona rehefa nasain’i Jehovah nangataka izay tiany; nomena harena sy voninahitra koa (3:5-15)
Nomen’Andriamanitra fahendrena matoa nahalamina ny adin’ny mpivaro-tena roa, izay samy nihambo ho renin’ny zaza iray (3:16-28)
Niadana i Solomona Mpanjaka sy ny Israely; nalaza eran-tany ny fahendreny (4:1-34; 10:14-29)
Nanorina tempoly sy lapa; novorina daholo ny anti-panahin’ny Israely tamin’ny fitokanana (5:1–8:66)
Nohamasinin’i Jehovah ilay tempoly, nomeny toky i Solomona fa hisy ho mpanjaka foana ny taranany, nampitandremany mba tsy hivadika (9:1-9)
Tonga hijery ny fahendren’i Solomona sy ny harenany ny mpanjakavavin’i Sheba (10:1-13)
Voatarik’ireo vadiny hafa firenena hivavaka tamin’ny andriamanitr’izy ireo i Solomona rehefa antitra (11:1-8)
Nizara roa ilay firenena; nanao zanak’omby hivavahana ny fanjakana tany avaratra mba tsy hankanesana any Jerosalema
Nilaza i Jehovah fa hizara ilay firenena satria nivadi-pinoana i Solomona (11:11-13)
Nataon’i Rehoboama mavesatra kokoa ny ziogan’ny vahoaka rehefa maty i Solomona; nikomy ny foko folo, nanao an’i Jeroboama ho mpanjaka (12:1-20)
Nanao zanak’omby volamena hivavahana i Jeroboama mba hisakanana ny vahoakany tsy ho any Jerosalema sy mba hampiraisana ny fanjakany (12:26-33)
Nisy tsara sy ratsy ny mpanjakan’ny Joda tany atsimo
Nanaraka fivavahan-diso i Rehoboama sy Abiama mpandimby azy (14:21-24; 15:1-3)
Nampandroso ny fivavahana marina i Asa zanak’i Abiama sy Josafata zanak’i Asa (15:9-15; 22:41-43)
Niady seza, nifamono, ary nanompo sampy ny mpanjakan’ny Israely tany avaratra
Lasa mpanjaka i Nadaba zanak’i Jeroboama; namono azy i Basa ary lasa mpanjaka (15:25-30)
Nandimby an’i Basa i Elaha zanany, kanjo novonoin’i Zimry; namono tena i Zimry rehefa resin’i Omry (16:6-20)
Lasa nisy ady an-trano; naharesy ihany i Omry, lasa mpanjaka, nanorina an’i Samaria; nihoatra noho ny an’ireo mpanjaka talohany ny fahotany (16:21-28)
Lasa mpanjaka i Ahaba, nanambady an’ilay zanak’i Etibala mpanjakan’i Sidona; nampiditra ny fivavahana tamin’i Bala tany Israely (16:29-33)
Niady ny Joda sy Israely, avy eo nanao fifanekena
Niady tamin’i Jeroboama i Rehoboama, avy eo i Abiama; niady i Basa sy Asa (15:6, 7, 16-22)
Nanao fifanekena tamin’i Ahaba i Josafata (22:1-4, 44)
Niara-niady i Josafata sy Ahaba tao Ramota-gileada; maty i Ahaba (22:29-40)
Mpaminany tany Israely sy Joda
Naminany i Ahia fa hesorina amin’ny taranak’i Davida ny foko folo; nanambara ny fanamelohan’i Jehovah an’i Jeroboama (11:29-39; 14:7-16)
Nirahin’i Jehovah i Semaia hilaza tamin’i Rehoboama sy ny vahoakany mba tsy hiady amin’ireo foko folo nikomy (12:22-24)
Nisy lehilahin’Andriamanitra nilaza ny fanamelohan’i Jehovah an’ilay alitara fanaovana sorona ho an’ny zanak’omby tao Betela (13:1-3)
Nanambara ny fanamelohan’i Jehovah an’i Basa i Jeho zanak’i Hanany (16:1-4)
Naminany i Elia fa hisy hain-tany haharitra elaela any Israely; nataony tsy nety lany ny sakafon’ny mpitondra-tena iray ary natsangany tamin’ny maty ny zanak’izy io (17:1-24)
Naseho teo an-tendrombohitra Karmela hoe iza no tena Andriamanitra; i Jehovah no tena Andriamanitra, novonoina ny mpaminanin’i Bala; nandositra i Elia fa notadiavin’i Jezebela vadin’i Ahaba hovonoina; nirahin’i Jehovah hanosotra an’i Hazaela sy Jeho ary Elisa (18:17–19:21)
Naminany i Mikaia fa ho resy i Ahaba (22:13-28)
[Efajoro, pejy 475]
HEVITRA MISONGADINA: MPANJAKA FAHAROA
Tohin’ny tantaran’ny Joda sy Israely tao amin’ny Mpanjaka Voalohany, mandra-paharavan’i Samaria sy Jerosalema noho izy ireo nivadika
Toa vita tany Ejipta ny fanoratana azy, 27 taona teo ho eo taorian’ny nandravan’i Babylona an’i Jerosalema
Nandimby an’i Elia mpaminanin’i Jehovah i Elisa
Naminany i Elia fa ho faty i Ahazia; niantso afo mba handevona an’ireo lehibe roa sy ny miaramilany 50 avy izay tsy nanaja azy rehefa haka azy (1:2-17)
Nentina niakatra tao anaty tafio-drivotra i Elia; lasan’i Elisa ilay akanjona mpaminany nanaovany (2:1-13)
Nanasaraka roa ny ranon’i Jordana i Elisa ary nanao izay hahasalama ny rano tao Jeriko; nanome torohevitra an’ireo tafik’Israely sy Joda ary Edoma ka tsy matin’ny hetaheta izy ireo ary naharesy an’i Moaba; nampitombo ny tahiry menaky ny vehivavy mpitondratena, nanangana ny zanak’ilay Sonemita, nanala poizina tao anaty lasopy, nampitombo mofo sy vary orza, nanasitrana an’i Namàna boka, nilaza fa ho boka i Gehazy matimatin-karena sy ny taranany, ary nampitsinkafona lelam-pamaky (2:14–6:7)
Nampitandrina ny mpanjakan’ny Israely i Elisa fa hanafika ny Syrianina; tonga hisambotra azy ny tafik’i Syria kanjo lasa toy ny jamba; nataon’ny Syrianina fahirano i Samaria, nomen-tsiny i Elisa hoe izy no nampisy mosary; naminany fa hifarana ny mosary (6:8–7:2)
Vitan’i Elisa ny asa nanendrena an’i Elia rehefa nilazany i Hazaela hoe ho lasa mpanjakan’i Syria, sy rehefa nisy nirahiny hanosotra an’i Jeho ho mpanjakan’ny Israely (8:7-13; 9:1-13)
Novonoin’i Jeho ny ankohonan’i Ahaba, nofoanany ny fivavahana tamin’i Bala tany Israely (9:14–10:28)
Notsidihin’i Joasy Mpanjaka zafikelin’i Jeho i Elisa izay efa ho faty; naminany fa ho resin’izy io intelo i Syria (13:14-19)
Tsy nanaja an’i Jehovah ny Israely, ka natao sesitany tany Asyria
Mbola nivavahana ny zanak’omby nataon’i Jeroboama, tamin’ny andro nitondran’i Jeho, Joahaza, Joasy, Jeroboama II, ary Zakaria (10:29, 31; 13:6, 10, 11; 14:23, 24; 15:8, 9)
Efa hifarana ny fanjakan’ny Israely: Novonoin’i Saloma i Zakaria Mpanjaka, novonoin’i Menahema i Saloma, novonoin’i Peka i Pekahia zanak’i Menahema, ary novonoin’i Hosea i Peka (15:8-30)
Nataon’i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria sesitany ny Israely tamin’ny andron’i Peka Mpanjaka; rava i Samaria tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea, natao sesitany ny Israely fa tsy nanaja an’i Jehovah; hafa firenena no nonina tany Israely (15:29; 17:1-41)
Tsy ela dia nanompo sampy indray ny Jodianina; noravan’i Babylona i Jerosalema ary natao sesitany ny vahoaka
Nanambady an’i Atalia zanak’i Ahaba sy Jezebela i Jorama mpanjakan’ny Joda; nivadi-pinoana i Jorama sy Ahazia zanany (8:16-27)
Te hanjaka i Atalia ka naripany ny taranak’i Davida rehefa maty i Ahazia; novonjen’ny anabavin-drainy i Joasy zanak’i Ahazia, ka natao mpanjaka tatỳ aoriana; novonoina i Atalia (11:1-16)
Namerina ny fivavahana marina i Joasy fony fahavelon’i Joiada Mpisoronabe mpanoro hevitra azy, nefa mbola nisy ‘nanao sorona teny amin’ny toerana avo’ ihany rehefa nitondra izy sy Amazia, Azaria (Ozia), ary Jotama (12:1-16; 14:1-4; 15:1-4, 32-35)
Nanompo sampy i Ahaza zanak’i Jotama; namerina ny fivavahana marina i Hezekia zanak’i Ahaza, nefa nahazo vahana indray ny fivavahan-diso rehefa nitondra i Manase sy Amona (16:1-4; 18:1-6; 21:1-22)
Niezaka mafy nanafoana ny fanompoan-tsampy i Josia zanak’i Amona; maty rehefa niady tamin’i Farao Neko (22:1–23:30)
Nivadika ny mpanjaka efatra farany tao Joda: Lasa babo tany Ejipta i Joahaza zanak’i Josia ary maty tany; nandimby azy i Joiakima rahalahiny; natao sesitany tany Babylona i Joiakina zanak’i Joiakima sady mpandimby azy; nanjaka i Zedekia rahalahin’i Joiakima mandra-paharesin’i Babylona an’i Jerosalema, natao sesitany ny ankamaroan’ny mponina tao (23:31–25:21)