Ireo bokin’ny Mpanjaka anankiroa: loharanom-pahazavana sarobidy
INDRAY andro, tany Nazareta, tanàna nahabe azy, dia nilaza zavatra niteraka antsoantsom-pahatezeran’ny maro tamin’ireo izay nihaino azy i Jesosy. Toa nanontanian’ireo Nazareana ny antony tsy nanaovany fahagagana tao amin’ny tanànan’izy ireo toy ny tany amin’ny hafa. Mba hanazavana tamin’izy ireo ny antony, dia nampiasa ohatra anankiroa araka ny Baiboly Kristy. Izao no nambarany:
“Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ny taniny. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ny tany rehetra; nefa tsy mba nirahina ho any amin’ny anankiray tamin’ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin’ny tany Sidona ihany, dia ho any amin’izay vehivavy mpitondratena. Ary maro no boka teo amin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza, fa Namàna Syriana ihany.” (Lioka 4:24-27). Rehefa nandre izany teny izany ny mponina tao Nazareta dia nisafoaka ka nanandrana namono an’i Jesosy. Fa nahoana no namaly tamin’ny fomba nahery vaika toy izany izy ireo?
Mba hahafantarana izany, dia tokony hiverina any amin’ny soratra hebreo izay hahitantsika ny tantaran’i Elia sy Elisa isika. Ny kristiana tamin’ny taonjato I sy ireo mpihaino azy jiosy dia nahalala tsara ireo tahirin-kevitra ireo. Ireo mpanao ny Soratra grika kristiana dia nanazava imbetsaka dia imbetsaka ny teniny tamin’ny fampahatsiahivana ireo fisehoan-javatra sy olona izay voalazalaza tao amin’ireo boky tranainy ireo, toy ny nataon’i Jesosy tamin’izay fotoana izay, ary ireo mpamaky azy dia nahazo avy hatrany nasiany fitenenana. Raha tiantsika koa àry handray soa amin’ny fomba feno amin’ny fampianaran’izy ireo, dia tokony hifankazatra amin’io fototra ara-tantara io isika.
Raha ny marina, dia ho sarotra ny hahazo tsara ny Soratra grika kristiana raha tsy mahalala ny Soratra hebreo. Araka izany, ny tantaran’i Elia sy Elisa, ireo mpaminany roa notononin’i Jesosy ho ohatra, dia voasoratra ao amin’ireo bokin’ny Mpanjaka. Aoka hodinihintsika akaiky kokoa ireo boky roa ireo mba hahafantarana tsara ny hasarobidiny sy hahitana ny fomba mety hanampiany antsika handroso sy handranitra ny fahalalantsika ny Soratra grika kristiana.
Fampitahana tsy mahafinaritra loatra
Alohan’ny zavatra rehetra, nahoana ireo mponina tany Nazareta no sosotra aoka izany rehefa nampahatsiahy azy ireo ny fahagagana roa nataon’i Elia sy Elisa 900 taona mahery talohan’izay i Jesosy? Satria tamin’ny filazana izany, Kristy dia nampitovy azy ireo ankarihary tamin’ireo Isiraelita nonina tany amin’ny fanjakan’ny Avaratra tamin’ny andron’ireo mpaminany ireo. Araka ny bokin’ny Mpanjaka anankiroa anefa, tamin’izany fotoana izany ny firenen’Isiraely dia tsy tao anatin’ny toe-piainana ara-panahy tsara velively. Nanaraka ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala izy ary nanenjika ireo mpaminanin’i Jehovah. Afa-tsy izany koa, Elia dia teo am-pandosirana indrindra an’ireo mpiray firenena taminy rehefa nampiantrano sy nanome sakafo azy ny mpitondratena iray tany Zarefata, tany an-tany hafa. Tamin’izay izy no nanao ny fahagagana noresahin’i Jesosy (I Mpanjaka 17:17-24). Mbola nandroso teo amin’ny Isiraely ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala rehefa nanasitrana an’i Namana, filohan’ny tafika syriana izay voan’ny habokana i Elisa. — II Mpanjaka 5:8-14.
Ireo mponina tany Nazareta dia tsy nankasitraka loatra ny nampitahana azy tamin’ireo razambeny nanompo sampy. Azo nohamarinina anefa ve ny fanoharana nataon’i Jesosy? Izany dia izany tokoa. Toy ny nahatandindomin-doza ny ain’i Elia teo amin’ny faritanin’ny Isiraely tokoa, dia toy izany koa fa notandindomin-doza ny ain’i Jesosy. Mitohy toy izao tokoa ilay fitantarana: “Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ny synagoga, raha nandre izany, ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ny havoana niorenan’ny tanàna, mba hazerany amin’ny hantsana.” Soa ihany fa niaro an’i Jesosy i Jehovah, toy ny niarovany an’i Elia taloha. — Lioka 4:28-30.
Ny voninahitr’i Solomona
Io ohatra io dia mampiseho tsara ny fomba mety hanamafisan’ny fanazavana voarakitra ao amin’ireo bokin’ny Mpanjaka ny tenin’i Jesosy sy ireo kristiana voalohany. Nefa aoka isika hijery hafa iray amin’izany. Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra i Jesosy dia namporisika ireo mpihaino azy hitoky amin’i Jehovah raha ny amin’izay ilaina eo amin’ny fiainana. Ankoatra ny zavatra hafa, dia izao no nambarany: “Ary nahoana no manahy ny amin’ny fitafiana hianareo? Diniho tsara ny fanirin’ny vonin-kazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny.” (Matio 6:28, 29). Nahoana izy no niresaka ny amin’i Solomona?
Ireo Jiosy izay nihaino azy dia nahalala izany, satria izy ireo nandre firesahana ny amin’ny voninahitr’i Solomona. Izany voninahitra izany tokoa dia voalazalaza amin’ny antsipiriany ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka voalohany (sy ao amin’ny bokin’ny Tantara faharoa). Ohatra, tsy isalasalana fa tsaroan’izy ireo fa ny sakafo tao an-tranon’i Solomona “isan-andro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora, sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman-osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy”. (I Mpanjaka 5:2, 3.) Tena tondraka tokoa ny sakafo.
Afa-tsy izany koa, Solomona dia nandray isan-taona “talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato”, ka raha ankehitriny izany dia hitovy amin’ny 20 lavitrisa sy sasany ariary. Farany, ny lapan’i Solomona dia voaravaka volamena tanteraka. “Tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin’ny andron’i Solomona.” (I Mpanjaka 10:14, 21). Rehefa nampahatsiahy izany i Jesosy, dia takatr’ireo mpihaino azy izay tiany holazaina tamin’izy ireo.
Niresaka ny amin’i Solomona koa i Jesosy tao amin’ny teny manodidina hafa. Izao no navaliny an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo izay nangataka famantarana taminy: “Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ny faran’ny tany izy hihaino ny fahendren’i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.” (Matio 12:42). Tamin’ny ahoana io fampahatsiahivana io no nahatafintohina an’ireo filoha ara-pivavahana izay nihaino azy?
Izay mahalala tsara ny bokin’ny Mpanjaka voalohany dia mahafantatra fa tsy iza “ny mpanjakavavy avy tany atsimo” fa ny mpanjakavavin’i Sheba. Niharihary fa io vehivavy nalaza io dia nanjaka teo amin’ny fanjakana niroborobo iray. Rehefa nitsidika an’i Solomona tokoa izy io dia nitondra “mpanaraka maro be” sy menaka tsy fahita firy, “volamena sesehena ary vato soa”. (I Mpanjaka 10:1, 2.) Amin’ny fitsipika ankapobeny dia ireo ambasadaoro no voatendry hitana fifandraisana tsara eo amin’ireo firenena. Amin’izany dia tsy fahita ny hoe olo-malaza iray tahaka ny mpanjakavavin’i Sheba no handeha lavitra mba hihaona amin’ny mpanjaka hafa iray. Tonga hatrany Jerosalema anefa io vehivavy io mba hahita an’i Solomona. Nahoana?
Nanan-karena aoka izany i Solomona mpanjaka, nefa toy izany koa ny mpanjakavavin’i Sheba. Tsy handeha lavitra toy izany noho ny fahafinaretana hijery amim-pahatalanjonana mpanjaka nanan-karena iray toy izany fotsiny izy. Tsy vitan’ny hoe nanan-karena fotsiny anefa i Solomona. “Nanan-karena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany” izy. (I Mpanjaka 10:23). Tamin’ny andro nanjakany feno fahendrena “ny Joda sy ny Isiraely (dia) nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba”. — I Mpanjaka 5:5.
Ny fahendren’i Solomona àry no nahaliana ny mpanjakavavin’i Sheba. Izy io izay “nahare ny lazan’i Solomona ny amin’ny anaran’i Jehovah, dia avy hizaha toetra azy amin’ny fanontaniana sarotra”. Rehefa tonga tany Jerosalema izy, ka “tonga tany amin’i Solomona (...), dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony. Ary voavalin’i Solomona izy tamin’izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa”. — I Mpanjaka 10:1-3.
Jesosy koa dia nanana fahendrena niavaka “ny amin’ny anaran’i Jehovah”. Raha ny marina, dia “lehibe noho Solomona” izy. (Lioka 11:31.) Ny mpanjakavavin’i Sheba izay tsy Jiosy anefa dia nandeha naharitra sady nahita fahasahiranana mba hihaonana tamin’i Solomona sy handraisana soa tamin’ny fahendreny. Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia vao mainka tokony ho nihaino tamim-pankasitrahana an’ilay ‘Solomona Lehibe’ izay teo, teo anoloan’izy ireo! Tsy nanao izany anefa izy ireo. Tsy azo lavina fa nahay nankamamy ny fahendren’Andriamanitra be dia be lavitra noho izy ireo “ny mpanjakavavy avy tany atsimo”.
Ireo faminaniana
Nandritra ny vanim-potoana voafaokan’ireo bokin’ny Mpanjaka, ny fanjakan’ny foko 12, avy eo dia ireo fanjakan’ny Isiraely sy ny Joda nisaraka, dia notapahin’ny mpanjaka. Tamin’izany fotoana izany, ireo mpaminanin’i Jehovah dia narisika aoka izany teo anivon’ny vahoakany. Anisan’ireo niavaka indrindra Elia sy Elisa izay efa notononinay. Tsy Jesosy irery akory no niresaka ny amin’izy ireo tao amin’ny Soratra grika kristiana.
Tao amin’ny taratasiny ho an’ireo kristiana hebreo, ny apostoly Paoly dia nanangana ho ohatra ny amin’ny finoana, mpanompon’Andriamanitra velona tao anatin’ireo taonjato lasa. Ankoatra ny zavatra hafa, dia izao no nosoratany: “Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray.” (Hebreo 11:35). Tsy isalasalana fa tamin’izay izy dia nieritreritra an’i Elia sy Elisa izay samy nampiasaina mba hanangana maty (I Mpanjaka 17:17-24; II Mpanjaka 4:32-37). Rehefa ‘nahita maso ny fiandrianan’i Jesosy’ ny apostoliny telo tamin’ny fiovan-tarehy, dia nahita an’i Jesosy niresaka tamin’i Mosesy sy Elia izy (II Petera 1:16-18; Matio 17:1-9). Nahoana moa Elia no nofidina mba hampiseho ny tarana-mpaminany nanao fanambarana mialoha ny amin’i Jesosy? Raha mamaky ny bokin’ny Mpanjaka voalohany ianao, dia tsy maintsy hanamarika ny finoana lehibe nananan’i Elia sy ny hery nampiasan’i Jehovah azy hanao ny asany. Rehefa vita izany, dia ny tenanao ihany no ho afaka hamaly an’io fanontaniana io.
Na dia tao aza izany rehetra izany, Elia dia lehilahy tahaka ny hafa koa. Nosoritan’i Jakoba izany hevitra izany tamin’ny fampahatsiahivana zava-niseho hafa iray voatantara ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka voalohany. Izao no vakintsika: “Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.” — Jakoba 5:16-18; I Mpanjaka 17:1; 18:41-46.
Akon’ny bokin’ny Mpanjaka roa hafa koa
Andinin-teny maro hafa ao amin’ny Soratra grika kristiana no mirakitra fanasiana fitenenana ny amin’ireo bokin’ny Mpanjaka. Araka izany, Stefana dia nampahatsiahy ny Synedriona jiosy fa nanorina trano iray ho an’i Jehovah i Solomona (Asan’ny apostoly 7:47). Ny ankamaroan’ireo antsipiriany mahakasika an’io fanorenana io anefa dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka voalohany (I Mpanjaka 6:1-38). Rehefa niteny tamin’ny vehivavy Samaritana iray i Jesosy, dia naneho ny fahagagany tamin’izao teny izao io: “Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana.)” (Jaona 4:9). Fa nahoana ny Jiosy no tsy nitana fifandraisana tamin’ny Samaritana? Ny fitantarana ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka faharoa izay milazalaza ny niandohan’io firenena io dia manome fanazavana ny amin’izany. — II Mpanjaka 17:24-34.
Ao amin’ny Apokalypsy, ny taratasy iray natao ho an’ny kongregasiona tany Tyatira dia milaza izao fanomezan-tsiny izao: “Kanefa manan-teny aminao Aho, satria hianao mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy.” (Apokalypsy 2:20). Iza moa Jezebela? Zanakavavin’ny mpisoron’i Bala izay niasa tany Tyro. Araka ny ampahafantarin’ny bokin’ny Mpanjaka voalohany antsika, dia tonga mpanjakavavin’ny Isiraely izy rehefa nanambady an’i Ahaba mpanjaka. Io vehivavy io izay nampihatra fitaomana be teo amin’ny vadiny dia afaka nampiditra ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala tao amin’ny firenen’Isiraely izay efa tafalentika tao amin’ny fialana tamin’ny fivavahana marina. Nampiditra mpisoron’i Bala be dia be tao amin’ilay tany izy ary nanenjika ireo mpaminanin’i Jehovah, nefa nahita fahafatesana nahery vaika izy tamin’ny farany. — I Mpanjaka 16:30-33; 18:13; II Mpanjaka 9:30-34.
Ilay vehivavy izay naneho toe-tsaina tahaka ny an’i Jezebela àry dia nanandrana nitaona ny kongregasiona tany Tyatira hanaraka fahalotoam-pitondrantena sy handika ireo lalàn’Andriamanitra. Ny fihetsika toy izany dia tokony hofoanana tsy ho ao anatin’ny kongregasiona, tahaka ny nanesorana ny fianakavian’i Jezebela tsy ho eo amin’ny firenen’Isiraely.
Tena mila ny Soratra hebreo àry isika mba hahazoana tsara ny hevitry ny Soratra grika kristiana. Ny Soratra grika kristiana dia mirakitra antsipiriany maro tsy mety ho azontsika raha tsy misy ireo fanazavana omen’ny Soratra hebreo antsika. Jesosy, ireo kristiana voalohany sy ireo olona niresahany izay jiosy ny fiaviany, dia nahalala tsara tokoa ny tapany voalohany amin’ny Baiboly. Nahoana no tsy maka fotoana hifankazarana aminy? Raha manao izany ianao, dia ho afaka handray soa amin’ny fomba feno amin’ny ‘ny soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izay mahasoa ho fampianarana’. — II Timoty 3:16.