KIRIATAIMA
(Kiriatàima) [Tanàna Roa].
1. Tanàna tany atsinanan’i Jordana. Ny Robenita no nanorina azy io na nanorina azy io indray. (No 32:37; Js 13:15, 19) Nanjary nofehezin’ny Moabita izy io tatỳ aoriana. Lazain’ny faminanian’i Jeremia (48:1) sy Ezekiela (25:9) fa tanànan’i Moaba i Kiriataima, ary hisy loza hanjo azy. Talohan’izay, dia nirehareha erỳ i Mesa mpanjaka moabita tamin’ny taonjato fahasivy T.K. hoe izy no nanorina an’i Karyatena (mety ho i Kiriataima).
Maro ny manam-pahaizana milaza azy io ho i Koraiyat, tokotokony ho 10 km any andrefana avaratrandrefan’i Dibona. Rehefa jerena anefa ireo zavatra sisa tavela ao, dia hita fa mbola tsy nisy tanàna mihitsy teo talohan’ny taonjato voalohany T.K. Tsy fantatra àry izay tena nisy an’i Kiriataima.
2. Toerana tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Naftaly, ary nomena ny Levita Gersonita. (1Ta 6:71, 76) Antsoin’ny Josoa 21:32 hoe Kartana izy io.—Jereo KARTANA.