FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Antsy”
  • Antsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Antsy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Vatoafo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Bisikileta Fandranitana Antsy Hoe?
    Mifohaza!—2009
  • Tsofa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Helkata-hazorima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Antsy”

ANTSY

Fitaovana fandidiana misy lelany iray na roa. Antsy vato (indrindra fa vatoafo), varahina, halimo, na vy no fampiasa tany Palestina fahiny.

Fitaovana fihinanana ny hoe maʼakelet (heb.), nefa ilazana koa ny antsibe fandrasarasana ny fatin’ny biby natao sorona. “Antsin-kena” (heb.: maʼakelet) no nalain’i Abrahama tamin’izy hanao sorona an’i Isaka (Ge 22:6, 10), sy nampiasain’ny Levita iray rehefa norasarasainy ho 12 ny fatin’ny vadikeliny. (Mpts 19:29) Hoy ny Ohabolana 30:14: “Misy taranaka manana nify toy ny sabatra, sy valanorano toy ny antsin-kena.” Ilazana fakana an-keriny àry eo ny hoe maʼakelet.

‘Antsy vatoafo’ no namoran’i Josoa ny zanak’Israely tao Gibeata-haralota. (Js 5:2-4) Misy hoe herev (adika matetika hoe “sabatra”) ny teny hebreo ilazana an’ilay antsy. Nampiasa antsy vatoafo koa ny Kananita: 15 sm teo ho eo ny lavany, roa lela ilay izy, ary nivohitra ny teo afovoany.

Nanana antsy fandranitana penina bararata sy famonoana soratra ny mpanora-dalàna sy mpitan-tsoratra fahiny. “Antsin’ny mpitan-tsoratra” no nanapahana an’ilay horonam-boky nasain’i Jehovah nosoratan’i Jeremia.​—Je 36:23.

Mahitsy ny lelan’ny antsy varahina maro fahiny, ary nirefy 15 ka hatramin’ny 25 sm. Nisy koa anefa nifaingoka ny lohany. Matetika no nifampitohy tamin’ny lelany ny zarany. Hazo kosa ny zaran’ny antsy sasany, ary nafatotra tamin’ny lelany.

Amin’ny heviny an’ohatra ilay hoe tokony ‘handrasana antsy ny tenda’ rehefa miara-misakafo amin’ny mpanjaka. Midika izany hoe ilaina ny mifehy tena sy mahalala onony.​—Oh 23:1, 2, f.a.p.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara