FARIHY AFO
Teny an’ohatra tsy hita afa-tsy ao amin’ny Apokalypsy. Hoy ny fanazavana sy famaritan’ny Baiboly azy io: “Tsy inona ny farihy afo fa ny fahafatesana faharoa.”—Ap 20:14; 21:8.
Porofoin’ny teny manodidina koa fa teny an’ohatra ny hoe farihy afo. Hatsipy any amin’ny farihy afo, ohatra, ny fahafatesana. (Ap 19:20; 20:14) Tsy azo dorana ara-bakiteny anefa ny fahafatesana. Hatsipy any amin’ilay farihy afo koa ny Devoly. Anjely anefa izy ka tsy mety ho main’ny afo.—Ap 20:10; ampitahao Ek 3:2 sy Mpts 13:20.
Tsy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama (Ro 5:12) na ny Haides (Sheôl) ilay farihy afo, satria “ny fahafatesana faharoa” izy io ary hatsipy any amin’izy io ny “fahafatesana sy ny Haides.” (Ap 20:14, f.a.p.) Hamoaka ny maty ao aminy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama sy ny Haides (Sheôl). (Ap 20:13) Tsy hanao toy izany anefa ny farihy afo. Fahafatesana karazany hafa àry izy io. Hatsipy any amin’ny farihy afo, na fahafatesana faharoa, izany hoe ho ringana mandrakizay ireo tsy hita ao amin’ny “bokin’ny fiainana” ny anarany, satria manohitra ny zon’i Jehovah hitondra izy ireo sady tsy mety mibebaka.—Ap 20:15.
Misy anefa manizingizina fa toeram-pijaliana misy afo ara-bakiteny ilay farihy afo resahin’ireo andininy ireo. Porofo aroson’izy ireo ny voalazan’ny Apokalypsy 20:10 hoe “hampijalina andro aman’alina mandrakizay mandrakizay” ao amin’ny farihy afo ny Devoly sy ny bibidia ary ilay mpaminany sandoka. Tsy mijaly ara-bakiteny anefa izay hatsipy ao amin’ny farihy afo satria “fahafatesana faharoa” izy io. (Ap 20:14) Tsy mahalala na inona na inona ny maty, ka tsy mahatsapa ho mijaly.—Mpto 9:5.
Misy ifandraisany amin’ny fandringanana sy fahafatesana ny hoe mijaly anaty afo, ao amin’ny Baiboly. Ilazana imbetsaka ny fanamelohana ho faty, ohatra, ny teny nadika hoe fijaliana (basanôs), ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika). (Ezk 3:20; 32:24, 30) Resahin’ny Apokalypsy koa fa “rehefa hahita ny setroky ny fandoroana [an’i Babylona Lehibe] ny mpanjakan’ny tany”, dia “hitomany azy sy hikapo-tratra noho ny alahelony azy. Ary hijoro lavidavitra izy ireo satria matahotra sao hiara-mijaly [gr.: basanismo] aminy.” (Ap 18:9, 10) Inona no dikan’ilay hoe mijaly eo? Hoy ny anjely iray: “Hatsipy haingana toy izao i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony.” (Ap 18:21) Midika hoe aringana àry ny hoe mijaly anaty afo, ka haringana mandrakizay i Babylona Lehibe.—Ampit. Ap 17:16; 18:8, 15-17, 19.
Ho any amin’ny “fahafatesana faharoa” ka tsy hitsangana intsony ireo ‘hampijalina mandrakizay’ (avy amin’ny gr.: basanizô) any amin’ny farihy afo. Nadika hoe “mpiambina ny fonja” ny teny grika hoe basanistes ao amin’ny Matio 18:34. (TV, Syn; ampit. and. 30.) Hohazonin’ny fahafatesana na ‘hambenana’ ao mandrakizay àry ireo hatsipy any amin’ny farihy afo.—Jereo GEHENA; MAMPIJALY.