FIRAMAINTY
Anisan’ny metaly mavesabesatra manana hakitroka (densité) 11,34. Volondavenona matroka ny lokon’izy io. Atao amin’ny tadim-pintana sy harato izy io, mba hampilentika azy. Fanao saron-javatra koa izy io, raha tiana havesatra ilay sarony. Rehefa avy nandresy an’ireo Ejipsianina i Mosesy, dia nilaza fa “nilentika toy ny firaka [heb.: ʽôferet]” nalatsaka tao amin’ny Ranomasina Mena izy ireo. (Ek 15:10) Midika ara-bakiteny hoe “manipy firaka” ilay matoanteny grika (bôlizô) nadika hoe ‘mandrefy’ ao amin’ny Asan’ny Apostoly 27:28. Mety hidika hoe “firamainty” na “firapotsy” ilay teny hebreo (ʼanak) nadika hoe “pilao”, ao amin’ny Amosa 7:7, 8. Raha tiana haharitra sy ho mora vakina ny soratra natao sokitra teo amin’ny vato, dia nararaka teo ny ranoka firamainty indraindray. Fanao efa hatramin’ny andron’i Joba tany ho any izany. (Jb 19:23, 24) Mitantara momba ny fanamboarana sampy ny Isaia 41:7, ary mampiasa an’ilay hoe ‘maningina’ (heb.: devek). Tsy fantatra raha firamainty sy firapotsy, toy ny fanao ankehitriny, no nampiasaina tamin’izany.
Ny solfiorana firamainty mbola akora matetika no ahazoana firamainty. Tany Araba, teo anelanelan’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty sy ny Hoalan’i ʽAkaba, no nitrandrahana azy io. Nisy firamainty azo notrandrahina koa tany Tarsisy (Espaina). (Ezk 27:12) Tsy maintsy natsonika tao anaty lafaoro fandrendrehana ny firamainty mbola akora, toy ny fanao amin’ny akorana metaly hafa ihany. (Je 6:29; Ezk 22:18-20; ampit. No 31:22, 23.) Mivadika ho oksidana firamainty ny solfiorana firamainty rehefa dorana, ary izany no dingana voalohany amin’ny fanadiovana azy. Ampiasaina mba hampangirana zavatra vita amin’ny tanimanga ny oksidana firamainty, indraindray. Misy porofo momba izany ao amin’ireo sisan-javatra any Ejipta sy Ninive.—Jereo MANADIO SY MANDRENDRIKA METALY.