FIRAPOTSY
Metaly fotsy somary manga vasobasoka, ary tena malemy. Ny firapotsy no mora mitsonika indrindra (232° C) amin’ireo metaly enina nodiovina tao amin’ny fatana fandrendrehana fahiny. (Ezk 22:18, 20) Bedil no teny hebreo nadika hoe firapotsy. Midika hoe “izay sarahina na avahana” avy amin’ny metaly sarobidy narendrika izy io. Nadika hoe “loto” koa io teny io.—Is 1:25.
Tsy nisy toerana fitrandrahana firapotsy tany Palestina. Taoriana kelin’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta no nisy resaka voalohany momba ny firapotsy, izay anisan’ireo zavatra nobaboin’izy ireo avy tamin’ny Midianita. (No 31:2, 22) Avy tany Tarsisy no nahazoan’ny mponin’i Tyro firapotsy. (Ezk 27:12) Ny fasika avy tamin’ny renirano any Espaina sy Angletera matetika no nahazoana karazana firapotsy mbola akora, izay oksidana firapotsy mavesatra sy mainty. Toa nampiasaina nanaovana pilao ny firapotsy, satria “ny vato [na vatomizana], ny firapotsy” no nosoratan’ny Masoreta eo amin’ilay hoe “pilao” ao amin’ny Zakaria 4:10. Mety hidika hoe firapotsy na firamainty ilay teny hebreo nadika hoe “pilao” ao amin’ny Amosa 7:7, 8. Mba hanamafisana metaly anefa no tena nampiasana ny firapotsy. Varahina nisy firapotsy 2 ka hatramin’ny 18 isan-jato, ohatra, ny halimo tranainy hitan’ny mpikaroka.