ANDRON’NY TOMPO
Fe-potoana anatanterahan’i Jesosy Kristy Tompo ny lafiny sasany amin’ny fikasan’Andriamanitra.
Mety hihoatra ny 24 ora ny hoe “andro”, ao amin’ny Baiboly. (Ge 2:4; Jn 8:56; 2Pe 3:8) Asehon’ny teny manodidina fa tsy 24 ora ilay “andron’ny Tompo” resahin’ny Apokalypsy 1:10. Tsy andro iray ao anatin’ny herinandro (toy ny hoe alatsinainy, talata, sns.) io “andron’ny Tompo” io, satria “teo ambany herin’ny fanahy masina” i Jaona no tonga tamin’io andro io. Fe-potoana amin’ny hoavy àry io andro io, ary amin’izay no hitranga ireto zavatra hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana ireto: Ady any an-danitra sy fandroahana an’i Satana avy any, haringana i Babylona Lehibe sy ireo mpanjakan’ny tany ary ny tafiny, hafatotra sy hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana, hatsangana ny maty, ary hanjaka mandritra ny arivo taona i Kristy.
I Jesosy Kristy ilay Tompo resahina eo, rehefa jerena ny teny manodidina. Tsy ny feon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, fa ny an’ilay Zanak’Andriamanitra no ren’i Jaona, raha vao tonga “tamin’ny andron’ny Tompo” izy. (Ap 1:10-18) Andron’i Jesosy Kristy koa ilay “andron’ny Tompo” resahin’ny 1 Korintianina 1:8; 5:5 ary 2 Korintianina 1:14.