“Ny Andron’ny Tompo”
“TAMIN’NY alalan’ny tsindrimandry dia tonga teo amin’ny andron’ny Tompo aho.” (Apokalypsy 1:10, MN). Izany no nolazain’ny apostoly Jaona efa be taona, aseho an-tsary eo ambony, ao amin’ny toko voalohany amin’ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly. Ny teniny dia manampy antsika hamaritra ny fotoana fahatanterahan’ireo fahitana mahagaga izay tohiziny ny filazalazana azy.
Tsy ny rehetra anefa no manaiky an’io fandikana ny Apokalypsy 1:10 io. Ohatra, ilay alemanina mpandika Baiboly atao hoe Jörg Zink dia nandika azy io toy izao: “Feno ny fanahy masina aho — andro Alahady tamin’izay.” Ny ankamaroan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly anefa dia mandika ny fehezanteny grika teiʹ ky·ri·a·keiʹ he·meʹrai hoe “Ny andron’ny Tompo”. Nefa ao amin’ny fanamarihana ambany pejy iray dia maro be no milaza fa manondro ny Alahady izy io. Marina ve izany?
Ny Herders Bibelkommentar alemanina, boky fianarana katolika iray, dia manazava ny fanjohian-kevitra ao ambadik’io fiheverana io rehefa nilaza toy izao: “Misy fanondroana atao eto [ao amin’ny Apokalypsy 1:10], tsy Andro Fitsarana Farany izay fantatra ihany koa ho toy ny ‘Andron’ny Tompo’, fa andro iray manokana ao anatin’ny herinandro. Ireo kristiana voalohany dia nanomboka nankalaza ny andro voalohany amin’ny herinandro ho toy ny andro fanaovana ireo fotoam-pivavahana lehibe indrindra ao am-piangonana, toy ny tamin’ny taloha be tany afovoan’ny taonjato voalohany. (Asa. 20:7; 1 Kor. 16:2).” Kanefa, ireo andinin-teny roa notononin’io boky fianarana io dia tsy manaporofo velively fa nihevitra ny andro voalohany amin’ny herinandro ho toy “ny andro fanaovana ireo fotoam-pivavahana lehibe indrindra ao am-piangonana” ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany.
Ny andinin-teny voalohany, ny Asan’ny apostoly 20:7, dia mitantara fotsiny fa i Paoly sy ireo mpiara-dalana taminy ary kristiana maromaro avy any Troasy dia niara-nivory tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro mba hisakafo. Koa satria handeha i Paoly ny ampitso ary tsy hahita azy ireo indray mandritra ny andro maromaro, dia nanararaotra ny fotoana izy mba hiresahana tamin’izy ireo maharitra.
Ny andinin-teny faharoa, ny 1 Korintiana 16:2, dia nampirisika ireo kristiana tany Korinto mba hanokana vola amin’ny “andro voalohany isan-kerinandro” mba hahazoana zavatra hanampiana ireo nahantra tany Jodia. Manao fanoloran-kevitra i Adolf Deissmann, mpivaofy teny fa nety ho andro fandoavam-bola io andro io. Na manao ahoana na manao ahoana, dia azo nampiharina ny fanoloran-kevitr’i Paoly, satria nety ho lany ny vola nandritra ny herinandro.
Tsy misy na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly nilazana fa ireo kristiana tamin’ny vanim-potoan’ny apostoly dia nihevitra ny andro voalohany amin’ny herinandro, antsoina hoe Alahady ankehitriny, ho toy ny karazana sabata kristiana, ho andro natokana tanteraka hanaovany fivoriana tsy tapaka ho an’ny fanompoam-pivavahana. Taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly ihany vao nanjary noheverina ho toy izany sy nanjary nantsoina hoe “ny andron’ny Tompo” ny Alahady. Izany dia anisan’ny fivadiham-pinoana nambaran’i Jesosy sy ny apostoly mihitsy mialoha. — Matio 13:36-43; Asan’ny apostoly 20:29, 30; 1 Jaona 2:18.
Inona àry izany “ny andron’ny Tompo”? Ny teny manodidina ny Apokalypsy 1:10 dia manondro an’i Jesosy ho ny Tompon’io andro io. Ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho fitenenana toy ny hoe “ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika” miaraka amin’ny fotoam-pitsarana iray ho an’ny taranak’olombelona sy ny famerenana indray ny Paradisa. — 1 Korintiana 1:8; 15:24-26; Filipiana 1:6, 10; 2:16.
Noho izany dia marina ny an’i Hans Bruns, ao amin’ilay fandikan-teniny misy fanazavana hoe Das Neue Testament (Ny Testamenta Vaovao), rehefa milaza izy hoe: “Mitompo teny fantatra ny sasany fa miresaka ny amin’ny Alahady izy [Jaona] eto, nefa mbola azo inoana lavitra fa izy io dia manisy firesahana ny amin’ny Andron’ny Tompo malaza, izay rehefa dinihina dia izay rehetra mifandray amin’ny filazalazana ataony manaraka.” Milaza toy izao i W. E. Vine: “ ‘Ny andron’ny Tompo’ (...) dia ny Andro fitsarana miharihary ataony eo amin’izao tontolo izao.” Milaza ilay Lexikon zur Bibel (Diksionera momba ny Baiboly) nataon’i Fritz Rienecker fa “ny andron’ny Tompo” dia mazava ho azy fa manondro “andro fitsarana”.
Ny fahazoana tsara ny hevitry ny fitenenana hoe “ny andron’ny Tompo” dia manampy antsika hahatakatra ny voalazan’ny bokin’ny Apokalypsy manontolo. Ankoatra izany, ny porofo dia hoe efa nanomboka io andro io. Tena zava-dehibe àry ny ‘hihainoantsika ny teny faminanian’ny Apokalypsy sy ny hitandremantsika ireo zavatra voasoratra ao anatiny’! — Apokalypsy 1:3, 19.
[Sary, pejy 27]
Misy fanazavana mazava sady araka ny toetr’andro momba ny andinin-teny tsirairay ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy aseho ao amin’ilay boky hoe “La Révélation — Le grand dénouement est proche!” Io fanampiana ho amin’ny fianarana ny Baiboly manintona io izao dia avoaka amin’ny fiteny 33.