FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Loda”
  • Loda

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loda
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Niandohan’ireo Firenena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mizraima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Koba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Loda”

LODA

(Lòda), Lodima (Lodìma).

1. Zanakalahin’i Sema i Loda. (Ge 10:22; 1Ta 1:17) Nilaza i Josèphe (sy ny hafa) fa ny Lydianina tany amin’ny faritra atsimoandrefan’i Azia Minora no taranak’izy io. (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 143, 144 [vi, 4]) Loddo no iantsoan’ny soratra asyrianina tamin’ny taonjato fahafito T.K. azy ireo.

2. Taranak’i Hama avy tamin’i Mizraima ny Lodima. (Ge 10:6, 13; 1Ta 1:8, 11) Azo inoana fa ireo “Lodima” kalazalahy tamin’ny fampiasana tsipìka izy ireo. Miaramila tao amin’ny tafik’i Ejipta izy ireo, toa an’i Pota sy Kosy taranak’i Hama. (Je 46:8, 9; ampit. Ezk 30:4, 5.) Toa i Loda taranak’i Hama (fa tsy taranak’i Sema) ilay Loda mpampiasa tsipìka ao amin’ny Isaia 66:19, izay miresaka momba an’ireo firenena lavitra an’i Israely. Sarotra kokoa ny mamantatra hoe iza ireo Lodima nanampy ny tafik’i Tyro. (Ezk 27:3, 10) Mety ho taranak’i Hama ihany anefa izy ireo, matoa miara-voatonona amin’i Pota.

Toa tany Afrika Avaratra no nisy ny Lodima taranak’i Hama raha araka ireo andininy ireo, kanefa tsy fantatra hoe taiza marina. Misy manam-pahaizana milaza fa tany akaikin’i Libya izy ireo. Ny nanovana ny Loda ho Loba fotsiny anefa no mahatonga azy ireo hilaza izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara