FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mizraima”
  • Mizraima

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mizraima
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Lehabima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Anamima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kaslohima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Naftohima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mizraima”

MIZRAIMA

(Mizraìma).

Voatonona faharoa amin’ireo zanakalahin’i Hama. (Ge 10:6) I Mizraima no razamben’ireo foko ejipsianina (sy ny foko sasany tsy ejipsianina). Nanjary nilazana an’i Ejipta àry ny hoe Mizraima. (Ge 10:13, 14; 50:11) Ilay teny hebreo hoe Mitsrayim (na Matsôhr indraindray, 2Mp 19:24; Is 19:6; 37:25; Mi 7:12) no nadikan’ny Baiboly malagasy hoe “Ejipta.” Misri no iantsoan’ny Kananita an’i Ejipta ao amin’ny Takelaka Hita tao Amarna, izay nosoratana tamin’ny teny akadianina. Mitovitovy amin’izany koa ny anarana (Misr) iantsoan’ny Arabo io tany io ankehitriny.

Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa ilazana ny maha roa an’i Ejipta (izany hoe Ejipta Ambony sy Ambany) ny hoe Mizraima. Tombantombana fotsiny anefa izany. (Jereo EJIPTA, EJIPSIANINA.) Toa amin’ny endriny milaza maro ny anaran’ny taranak’i Mizraima, toy ny hoe Lodima, Anamima, Lehabima, Naftohima, Patrosima, Kaslohima, ary Kaftorima. (Ge 10:13, 14; 1Ta 1:11, 12) Matetika àry no heverina ho anarana foko ireo fa tsy anaran’olona. Mety hitombina izany. Tsara homarihina anefa fa misy anarana hafa koa toa amin’ny endriny milaza maro, toy ny hoe Efraima, Apaima, Diblaima, ary Mesilemota. (Ge 41:52; 1Ta 2:30, 31; Ho 1:3; 2Ta 28:12) Anaran’olona anefa izy tsirairay ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara