FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Olitra”
  • Olitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olitra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampijaliana Mandrakizay Hoe?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Kankana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Gehena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Bildada
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Olitra”

OLITRA

[Heb.: rimmah; gr.: skôleks].

Bibikely lavalava avy amin’ny atody vao foy, indrindra fa ny atodin-dalitra. Ahitana matetika azy ireo ny legioma na hena simba ary ny fitambarana sela velona, izay sady manafana sy mahatonga an’ireo atody ho foy no azon’ny olitra hanina.

Tsy misy tongotra, lava manify, ary mizarazara ny vatan’ny olitra izay toy ny tsy misy lohany. Hoy anefa ny Andian-dahatsoratra Navoakan’ny Fikambanana Naorin’i Smithson (Boky Faha-5, p. 343): “Ilay tendrony kely kokoa no toy ny hoe lohany, nefa misitrika anaty vatan’ilay olitra ny lohany, raha ny marina. Ny lavaka isitrihan’ny lohany no lasa vavany. Misy faraingo kely roa mivoaka eo, izay sady valanoranony no taova famikirany.”

Milaza an-kolaka ny Baiboly fa mihinana faty ny olitra. (Jb 7:5; 17:14; 21:26; 24:20; Is 14:11) Maimbo sy namoaka olitra ny mana, rehefa namelan’ny Israelita ambiny ho an’ny ampitso maraina. Tsy naninona kosa izay mana notehirizina ny andro fahenina, mba hohanina tamin’ny Sabata. (Ek 16:20, 24) Nilaza i Jesosy fa misy “olitra” any amin’ny Gehena. Ilay fanariam-pako tany ivelan’i Jerosalema angamba no tiany horesahina eo. Nodorana mantsy ny fako tao, ary nisy olitra nihinana an’izay zavatra lo teny akaikin’ilay afo fa tsy tao anatiny.​—Mr 9:48; ampit. Is 66:24; jereo GEHENA.

Olona atao tsinontsinona no tian’i Bildada holazaina tamin’ny hoe “olitra.”​—Jb 25:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara