FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mahera-salala-hasi-baza”
  • Mahera-salala-hasi-baza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahera-salala-hasi-baza
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Isaia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Peka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Rezina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tiglato-pilesera (III)
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mahera-salala-hasi-baza”

MAHERA-SALALA-HASI-BAZA

(Mahèra-salàla-hàsi-bàza) [Faingàna ry Zavatra Nobaboina! Nohafainganiny ny Fandrobana; na Nihazakazaka Haka Babo Izy ka Nohafainganiny ny Fandrobana].

Anarana nomen’i Jehovah ny lahiaivon’i Isaia.

Nasain’i Jehovah nosoratan’i Isaia mpaminany tamin’ny takela-kazo lehibe ilay hoe Mahera-salala-hasi-baza, ary nohamarinin’ny vavolombelona azo itokisana. Nasainy natao anaran’ny zanak’i Isaia vao teraka izy io. Ho resin’ny mpanjakan’i Asyria mantsy i Damaskosy sy Samaria fahavalon’i Joda, hoy i Jehovah, raha mbola tsy mahay miantso “Dada” sy “Neny” akory ilay zaza. (Is 8:1-4) Tanteraka tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely tokoa ilay faminaniana. Nanafika an’i Israely mantsy i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria, naka tanàna maro, nandroba an’ilay tany, ary nitondra olona maro ho babo. Nisy namono i Peka avy eo. (2Mp 15:29, 30) Nobaboin’ilay mpanjaka koa i Damaskosy renivohitr’i Syria, nataony sesitany ny mponina tao, ary novonoiny i Rezina mpanjakan’i Syria. (2Mp 16:9) Toy izany no nahafatesan’i Peka sy Rezina izay nitetika ny hanafika an’i Joda. Resin’i Asyria koa i Samaria (740 T.K.), ka nesoriny tsy ho ao amin’ilay tanàna sy ny fanjakan’ny Israely tany avaratra ny Israelita nivadi-pinoana. (2Mp 17:1-6) “Famantarana sy fahagagana” azo nitokisana avy tamin’i Jehovah tany Israely tokoa ilay zanak’i Isaia sy ny vadiny (nantsoiny hoe “ilay mpaminanivavy”).​—Is 8:3, 18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara