MALONA
(Malôna) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “osaosa; farofy”].
Zanakalahin’i Elimeleka sy Naomy. Niala tany Betlehema, any Joda, izy sy ny ray aman-dreniny, rehefa nisy mosary tamin’ny andron’ny Mpitsara. Nifindra tany Moaba izy ireo. Nanambady an’i Rota Moabita i Malona tany. Maty tsy niteraka anefa izy. (Rt 1:1-5; 4:10) Nankany Joda koa i Rota, rehefa nody tany ny rafozambaviny. Nankatò ny lalàna momba ny fitondrana loloha izy ka nanambady an’i Boaza. (Rt 4:9, 10; De 25:5, 6) Taranak’izy ireo i Davida ary koa i Jesosy Kristy.—Rt 4:22; Mt 1:5, 6, 16.