FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Laona”
  • Laona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Laona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Rihitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Maktesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Menaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Laona”

LAONA

Fitaovana miendrika vilia baolina ny anatiny, ary tao no nitotoana vary, zava-manitra, oliva, na zavatra hafa tamin’ny fanoto.

[Sary, pejy 248]

Laona sy fanoto fahiny

Ahitana laona ngezabe ny sary hoso-doko eo amin’ny fasana ejipsianina. Toa hazo ireo laona, ary azo inoana fa metaly ireo fanoto. Ny sary iray kosa ahitana lehilahy roa mifarimbona mitoto, ka mampiasa fanoto metaly (boribory ny tendrony roa) izay tazoniny amin’ny tanan-droa eo afovoany. Izay voatoton’izy ireo dia sivanina ary atao ao anaty fitoerany. Averina totoina ao anaty laona kosa izay mbola tsy voatoto tsara.

Nototoin’ny Israelita tany an-tany efitra tamin’ny vato fikosoham-bary na tao anaty laona (heb.: medôkah) ny mana, vao nandrahoiny.​—No 11:7, 8.

Oliva nototoina tamin’ny laona sy fanoto no nahazoana menaka faran’izay tsara, satria ny nofony ihany no voatoto, fa tsy ny voany koa, tsy toy ny rehefa tao anaty famiazana. Menaka oliva tsy misy fangarony no nandrehetana ny jiro tao amin’ny tranolay fihaonana. Oliva voatoto no nahazoana an’io menaka io, sy ilay nampiarahina tamin’ny “fanatitra dorana atolotra tsy tapaka”, ary ilay nafangaro tamin’ny menaka masina fanosorana. Emboka manitra nototoina ho lasa vovony no nampiasaina tao amin’ny tranolay masina.​—Ek 27:20, 21; 29:40, 42; 30:23-25, 35, 36.

Hoatran’ny deboka ny atin’ny laona. Oharin’ny Baiboly amin’ny laona àry ny toerana sasany, toy ilay “lavaka iray niendrika laona” (heb.: maktesh) nataon’i Jehovah nitresaka tao Lehy, mba hanomezana rano ho an’i Samsona. (Mpts 15:18, 19) “Maktesy” na ilay “Laona” (heb.: maktesh) koa no anaran’ny faritra iray tao Jerosalema, satria angamba nisy lempona hoatran’ny deboka tao.​—Ze 1:11.

Totoina mafy ny voa ao anaty laona vao lasa lafarinina. Miresaka an-kolaka an’izany ity fanoharana ao amin’ny Baiboly ity: “Na dia ataonao tsara toto ao anaty laona [heb.: bammaktesh], miaraka amin’ny voa mbola tsy voatoto tsara, aza ny adala, dia tsy hiala aminy ny hadalany.”​—Oh 27:22.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara