FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Koroka”
  • Koroka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Koroka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Samoina Tsara Tarehy
    Mifohaza!—2001
  • Rehefa Jamba ny Fitiavana
    Mifohaza!—2000
  • Ny Mason’ny Samoina
    Mifohaza!—2010
  • Hita ny Valin’ny Fanontaniana Saro-baliana Momba ny Fanidin’ny Bibikely
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Koroka”

KOROKA

[Heb.: ʽash; sas (koroka mpihinan-damba); gr.: ses].

Bibikely lavalava mpihinan-damba (Tineola bisselliella), indrindra fa ilay izy vao foy, no koroka resahin’ny Baiboly. (Jb 13:28; Sl 39:11; Is 50:9; 51:8; Ho 5:12; Mt 6:19, 20, f.a.p.; Lk 12:33; Jk 5:2) Bibikely mitovy amin’ny lolo ny reniny ary manana elatra efatra mivolombolamena, saingy voloina matetika ny tandrony izay tsy misy mibontana ny tendrony. Tsy mitsangana toy ny an’ny lolo koa ny elany rehefa tsy manidina izy, fa miforitra mahitsy manarona ny vatany na mitsotra eo amin’ny andaniny roa. Amin’ny alina no fotoana fanidinany. Tena malemy ny bibikely toy ny koroka, ka mora torotoroina. Malemy toy izany koa ny olombelona, hoy i Elifaza.​—Jb 4:17, 19, 20.

Manatody eny amin’ny lamba vita amin’ny landy, volonondry, na volom-biby hafa ilay bibikely. Aparitany ireo atody avy eo, ka ampy tsara ny toeran’ireo olitra vao foy sy ny sakafony. Tsy manomboka mihinana anefa ireo olitra ireo raha tsy arovany anaty ‘trano’ aloha ny tenany, izany hoe ao anaty fonosana ataony amin’ny kofehin-damba. Ao anatin’io ‘trano’ io izy no misakafo.​—Jb 27:18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara