FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Namàna”
  • Namàna

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Namàna
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Zazavavikely Te Hanampy Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ilay Miaramila sy Ilay Ankizivavikely
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mafy Loha Izy Nefa avy eo Nankatò
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Nanampy Lehilahy Mahery ny Zazavavy Kely Iray
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Namàna”

NAMÀNA

[avy amin’ny fototeny midika hoe “mahafinaritra”].

1. Zafikelin’i Benjamina, naterak’i Bela lahimatoany. (1Ta 8:1-4, 7) Avy tamin’i Namàna ny fianakavian’ny Namanita tao amin’ny fokon’i Benjamina (No 26:40), ka izany no mahatonga ny andininy hafa hilaza an’i Namàna hoe “zanakalahin’i” Benjamina.​—Ge 46:21.

2. Lehiben’ny tafika syrianina tamin’ny taonjato fahafolo T.K., tamin’ny andron’i Jorama mpanjakan’ny Israely sy Beni-hadada II mpanjakan’i Syria. ‘Olo-malaza i Namàna, lehilahy matanjaka sy mahery fo izy, sady nohajaina fatratra. Tamin’ny alalany no namonjen’i Jehovah an’i Syria.’ (2Mp 5:1) Tsy lazain’ny Baiboly ny antony sy ny fomba nampiasan’i Jehovah an’i Namàna mba hamonjena an’i Syria. Vitan’io lehiben’ny tafika syrianina io angamba ny nanohitra an’ireo fanafihan’i Salmanesera III, mpanjaka asyrianina, izay nitady hamabo an’i Syria. Teo anelanelan’i Asyria sy Israely no nisy an’i Syria. Raha mbola tsy voababo àry i Syria dia voaro ny Israely ka tsy afaka nanafika haingana tany andrefana ny Asyrianina, raha tsy tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah hanaovana sesitany an’ireo mponina tany amin’ny fanjakana tany avaratra.

Nositranina tamin’ny habokany. Boka i Namàna, nefa tsy natokan-toerana toy ny notakin’ny lalàn’i Jehovah tany Israely. Na izany aza, dia tiany ho fantatra ny fomba azo anasitranana an’io aretina mahatsiravina io. Zazavavikely israelita, mpanompon’ny vadin’i Namàna, no nampahafantatra fa nisy mpaminany nahay nanasitrana habokana tany Samaria. Nankany Samaria avy hatrany i Namàna, ary nampitondrain’i Beni-hadada II taratasy. Tsy nandray tsara an’i Namàna sady niahiahy azy i Jorama mpanjaka israelita, ary nandefa azy tany amin’i Elisa. Tsy nankeo amin’i Namàna i Elisa fa ny mpanompony no nirahiny hiteny taminy mba handro impito ao amin’ny Reniranon’i Jordana. Nampihetsika ny hambom-pon’i Namàna izany, ka lasa nirintona izy satria toa tsy nasiana hajany sady navezivezy fotsiny. Mety ho niverina boka tany Syria anefa izy, raha tsy nandresy lahatra azy ny mpanompony hoe tsy sarotra ny zavatra nasain’i Elisa nataony. Nandro impito tao Jordana àry i Namàna, ka nisy fahagagana satria lasa nadio izy. Io no hany boka nositranin’i Elisa.​—2Mp 5:1-14; Lk 4:27.

Lasa mpivavaka tamin’i Jehovah. Tena nankasitraka izay natao taminy ilay mpitari-tafika syrianina ka niverina tany amin’i Elisa, izay tany amin’ny 50 km angamba. Nanolotra fanomezana be dia be izy nefa tsy nety nandray mihitsy ilay mpaminany. Nangataka “tany zakan’ny ramole roa” àry i Namàna, mba hoentiny mody. Eo amin’io tanin’ny Israely io izy no hanolotra sorona ho an’i Jehovah, ka nivoady fa tsy hivavaka amin’andriamani-kafa intsony. Nikasa hanao sorona ho an’i Jehovah teo amin’ny alitara vita tamin’ny tany angamba i Namàna.​—2Mp 5:15-17; ampit. Ek 20:24, 25.

Nangata-pamelana tamin’i Jehovah koa i Namàna avy eo, noho izy niara-niankohoka tamin’ny mpanjaka teo anoloan’ilay andriamanitra atao hoe Rimona. Mety ho efa antitra sy osa mantsy io mpanjaka io ka nila nitehina taminy ary izy koa nanao ny adidiny fotsiny. Natoky i Elisa fa tamin’ny fony manontolo no nangatahan’i Namàna famelan-keloka. Hoy àry izy tamin’i Namàna: “Mandehana soa aman-tsara.”​—2Mp 5:18, 19.

Rehefa lasa i Namàna, dia nanenjika azy i Gehazy mpanompon’i Elisa. Olona be fitsiriritana i Gehazy, ary nandainga izy hoe niova hevitra i Elisa, ka nanaiky handray fanomezana indray. Faly erỳ i Namàna nanome volafotsy sy akanjo azy. Nosazin’i Jehovah i Gehazy satria matimatin-karena sy nandainga, ka nanararaotra ny naha mpanompon’i Elisa azy mba hahazoana tombony avy tamin’ny asan’ny fanahin’i Jehovah. Niraikitra taminy sy ny taranany nandritra ny fotoana tsy voafetra àry ny habokana.​—2Mp 5:20-27.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara