FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/6 p. 30-31
  • Mafy Loha Izy Nefa avy eo Nankatò

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mafy Loha Izy Nefa avy eo Nankatò
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Miaramila sy Ilay Ankizivavikely
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Zazavavikely Te Hanampy Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Namàna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nanampy Lehilahy Mahery ny Zazavavy Kely Iray
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/6 p. 30-31

Ampianaro ny Zanakao

Mafy Loha Izy Nefa avy eo Nankatò

EFA nisy fotoana ve ianao tsy nankatò fa mafy loha?... a Nisy zavatra tamin’ny tele angamba tsy navelan’ny dadanareo na neninareo nojerenao nefa mbola nojerenao ihany. Mety ho nieritreritra an’ilay izy ianao avy eo ary nanenina. Nanao toy izany koa i Namàna. Tsy nety nankatò izy tamin’ny voalohany nefa lasa tsy mafy loha intsony tatỳ aoriana. Andao hojerentsika hoe inona no nampiova azy.

Eritrereto hoe niaina tamin’ny 3 000 taona mahery lasa ianao. Lehiben’ny miaramila syrianina i Namàna ary zatra nibaiko ny miaramilany. Mankatò azy foana ny miaramilany. Lasa boka anefa izy. Nampatahotra be ny nijery azy ary azo antoka fa narary be koa izy.

Nanana mpanompovavy kely avy any Israely ny vadin’i Namàna. Nilaza tamin’ny tompovaviny io ankizy io fa misy lehilahy afaka manasitrana an’i Namàna any Israely, ary i Elisa no anarany. Te ho any amin’i Elisa avy hatrany i Namàna raha vao naheno an’izany. Nitondra fanomezana be dia be izy ary niaraka tamin’ny miaramilany ho any Israely. Nankany amin’ny mpanjakan’ny Israely izy mba hilaza aminy ny antony nahatongavany.

Henon’i Elisa izany ary naniraka olona tany amin’ny mpanjaka izy mba handefa an’i Namàna ho any aminy. Rehefa nankany i Namàna dia olona fotsiny no nirahin’i Elisa mba hilaza taminy hoe tokony handro impito ao amin’ny Reniranon’i Jordana izy, raha te ho sitrana. Ahoana hoy i Namàna?...

Tezitra izy. Mafy loha izy ka tsy nety nankatò an’ilay mpaminanin’Andriamanitra. Hoy izy tamin’ny miaramilany: ‘Any an-tanàna aza misy renirano tsara kokoa handroana!’ Efa saika handeha hody i Namàna. Fantatrao ve anefa hoe inona no notenenin’ny miaramilany?... ‘Na zavatra lehibe aza ve no nasain’ilay mpaminany nataonao dia tsy ho nataonao? Koa raha zavatra tsotra kely hoatr’izany no noteneniny, maninona raha mankatò?’

Nanaraka ny tenin’ny miaramilany i Namàna. Nitsoboka inenina tao anaty rano izy. Gaga izy tamin’ny fanimpitony rehefa nivoaka avy tao. Afaka ny habokany ary sitrana izy! Tonga izy dia niverina tany amin’i Elisa, tany amin’ny 48 kilaometatra teo ho eo, mba hisaotra azy. Te hanao fanomezana lafo vidy ho an’i Elisa izy, nefa tsy nety nandray i Elisa.

Nangataka zavatra tamin’i Elisa àry i Namàna. Fantatrao ve hoe inona?... Hoy izy: ‘Avelao aho hitondra tany zakan’ny ramole roa, hoentiko mody.’ Fa maninona izy no nangataka an’izany?... Nilaza i Namàna hoe te hanao sorona ho an’Andriamanitra izy, eo ambonin’ny tany nalainy tany amin’ny tanin’ny Israely, vahoakan’Andriamanitra. Nampanantena izy fa i Jehovah irery no hivavahany manomboka eo. Tsy mafy loha intsony izy fa vonona hankatò an’ilay tena Andriamanitra.

Inona no azonao atao raha te ho hoatran’i Namàna ianao?... Raha mafy loha ianao dia afaka miova. Tsy ho mafy loha intsony ianao raha manaiky ampiana.

Vakio ny

  • 2 Mpanjaka 5:1-19

  • Lioka 4:27

a Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara