NAHATA
(Nahàta) [Fialan-tsasatra, Filaminana].
1. Lehibem-pokon’i Edoma, ary zanakalahin’i Regoela. Zafikelin’i Esao sy Basemata zanakavavin’i Ismaela izy.—Ge 36:2-4, 13, 17.
2. Levita taranak’i Kehata ary razamben’i Samoela. (1Ta 6:16, 22-28) Toa nantsoina koa hoe “Toho” na “Toa” izy.—1Sa 1:1; 1Ta 6:33-35.
3. Levita mpiadidy notendren’i Hezekia Mpanjaka hanampy an’i Konania sy Simey, izay niandraikitra “ny fanomezana sy ny ampahafolon-karena ary ny zava-masina” nentina tao amin’ny tempoly.—2Ta 31:12, 13.