NAHOMA
(Nahòma) [Mpampionona [izany hoe, mpampahery]].
1. Mpaminany israelita tamin’ny taonjato fahafito T.K., ary nanoratra ny boky mitondra ny anarany. Tany Joda angamba i Nahoma no nanoratra ny faminaniany. (Na 1:15) Elkosita izy, satria angamba mponina tany Elkosy, izay toa tanàna na tanàna kely tany Joda.—Na 1:1; jereo ELKOSITA.
2. Razamben’i Maria reny niteraka an’i Jesosy Kristy. Velona taorian’ny sesitany izy.—Lk 3:25.