FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/14 p. 2
  • Tahafo Ireo Mpaminany: Nahoma

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tahafo Ireo Mpaminany: Nahoma
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-34 — Nahoma
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Nahoma, Bokin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Nahoma sy Habakoka ary Zefania
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Nahoma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 9/14 p. 2

Tahafo Ireo Mpaminany: Nahoma

1. Inona no fantatsika avy amin’ny bokin’i Nahoma?

1 Milaza ny bokin’i Nahoma mpaminany fa mamaly ny fahavalony araka izay nataony i Jehovah. Tsy misy mahatohitra azy, na dia ny fahavalo faran’izay lozabe aza. (Nah. 1:2, 6) Manaporofo izany ny sisa tavela amin’i Ninive fahiny. Andraisantsika lesona hampiharina eny amin’ny fanompoana ny fandinihana ny faminanian’i Nahoma.

2. Inona no ataontsika mba hahatonga ny hafatra entintsika hampahery foana?

2 Manomeza fampiononana sy fanantenana: Renivohitr’i Asyria fahiny i Ninive, ary tanàna nirehareha. Raha atao topy maso ny bokin’i Nahoma, dia toa fanamelohana an’io tanàna io fotsiny no resahiny. (Nah. 1:1; 3:7) Vaovao tsara ho an’ny vahoakan’i Jehovah anefa io fanamelohana io. Midika hoe “Mpampionona” ny anaran’i Nahoma. Nanome toky an’ireo Jiosy izy fa kely sisa dia ho ringana ny fahavalony. Nohamafisin’i Nahoma fa i Jehovah no “fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana.” (Nah. 1:7) Mizara vaovao tsara sy mampirisika ny olona hialoka amin’i Jehovah koa isika rehefa mitory.—Nah. 1:15.

3. Nampiasa ohatra sy fanoharana i Nahoma. Ahoana no azontsika anahafana azy?

3 Mampiasà ohatra sy fanoharana: Nasain’i Jehovah nanao fampitahana i Nahoma. Ho toy ny nandravan’i Asyria an’i Thèbes (No-amona), tanàna ejipsianina, no hiafaran’i Ninive. (Nah. 3:8-10) Rehefa miresaka amin’ny olona momba faran’ity tontolo ratsy ity isika, dia azontsika asongadina ny faminanian’ny Baiboly izay manaporofo fa manatanteraka ny teniny hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra i Jehovah. Rehefa nanafika an’i Ninive, ohatra, ny Babylonianina sy ny Medianina tamin’ny 632 T.K, dia avy be ny orana ka tondraka ny reniranon’i Tigra. Ravan’ny rano noho izany ny ampahany tamin’ny mandan’ny tanàna, izay noheverina fa tsy ho tafiditry ny fahavalo. Vetivety dia resy i Ninive, araka ny tenin’i Jehovah.—Nah. 1:8; 2:6.

4. Inona no tokony hataontsika mba hazava sy ho mora azo ny zavatra lazaintsika eny amin’ny fanompoana?

4 Ataovy mazava sy mora azo ny teninao: Mampihetsi-po ny fomba fanoratr’i Nahoma ary hita hoe mahay milaza zavatra izy. Tonga dia mazava ny tiany ambara. (Nah. 1:14; 3:1) Te hampiasa fiteny mora azo toy izany koa isika. (1 Kor. 14:9) Ataovy mazava tsara ny anton-dianao rehefa mitory. Rehefa mampianatra Baiboly ianao, dia ampio ilay olona hino an’i Jehovah sy ny Teniny. (Rom. 10:14) Ataovy takany koa hoe nahoana no mahakasika azy manokana ilay zavatra ianarana.

5. Inona no azontsika antoka avy amin’ny faminanian’i Nahoma?

5 Natoky i Nahoma fa tsy maintsy tanteraka ny tenin’i Jehovah, ary hita taratra ao amin’ilay boky mitondra ny anarany izany. Kely sisa dia horinganina ny tontolon’i Satana. Mampionona antsika àry ity tenin’i Jehovah ity: “Tsy hitranga fanindroany ny fahoriana.”—Nah. 1:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara