FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Nazareanina”
  • Nazareanina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nazareanina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsimoka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Avy Aiza i Jesosy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Sampana, Tsimoka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nazareta — ny tanàna niavian’ilay mpaminany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Nazareanina”

NAZAREANINA

(Nazareanìna) [mety ho avy amin’ny teny heb. hoe netser, “tsimoka”].

Anarana niantsoana an’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy. Tsy tokony hafangaro ny hoe Nazareanina sy Nazirita, na dia mitovitovy fanononana aza. Samy hafa mantsy ny teny hebreo niavian’ireo teny ireo.​—Jereo NAZIRITA.

Tsy mahagaga raha nantsoina hoe Nazareanina na ilay avy any Nazareta i Jesosy. Mbola kely (latsaka ny telo taona) mantsy io zanaky ny mpandrafitra io, dia efa nipetraka tao Nazareta, 100 km eo ho eo avaratr’i Jerosalema. Fanao tamin’izany ny nampiaraka anaran’olona tamin’ny anaran’ny toerana niaviany.​—2Sa 3:2, 3; 17:27; 23:25-37; Na 1:1; As 13:1; 21:29.

Ilay avy any Nazareta (na Nazareanina) no niantsoan’ny olona maro an’i Jesosy, tany amin’ny toerana samy hafa. (Mr 1:23, 24; 10:46, 47; 14:66-69; 16:5, 6; Lk 24:13-19; Jn 18:1-7) Neken’i Jesosy hoe avy any Nazareta izy, ary nampiasainy mihitsy aza izany. (Jn 18:5-8; As 22:6-8) Nasian’i Pilato soratra tamin’ny teny hebreo sy latinina ary grika teo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy hoe: “Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy.” (Jn 19:19, 20) Matetika ireo apostoly sy ny olon-kafa no niantso an’i Jesosy hoe Jesosy Kristy avy any Nazareta (na Nazareanina), nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33.​—As 2:22; 3:6; 4:10; 6:14; 10:38; 26:9.

Nambaran’ny faminaniana. Nilaza i Matio fa ny fiantsoana an’i Jesosy Kristy hoe Nazareanina no anisan’ny famantarana fa izy ilay Mesia nampanantenaina. Nanasongadina izany izy rehefa nitantara ny niverenan’i Josefa sy Maria ary ilay zaza avy tany Ejipta, taorian’ny nahafatesan’i Heroda. Hoy izy: “Nampitandreman’Andriamanitra tao amin’ny nofy koa i Josefa, ka nankany amin’ny faritr’i Galilia. Ary tonga tao amin’ny tanàna nantsoina hoe Nazareta izy, ka nanorim-ponenana tao, mba ho tanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: ‘Hantsoina hoe Nazareanina izy.’”​—Mt 2:19-23.

Tsy misy hoe Nazareta anefa ao amin’ny Soratra Hebreo. Misy àry milaza fa mety ho avy amin’ny lovantsofina na bokim-paminaniana efa very, ilay faminaniana noresahin’i Matio. Ny Soratra Hebreo ananantsika ankehitriny ihany anefa no tian’ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina horesahina amin’ny hoe “nolazaina tamin’ny alalan’ny mpaminany.” Mety ho ilay teny hoe netser, izay niavian’ny hoe Nazareanina sady midika hoe tsimoka, no manampy antsika hahalala hoe inona ilay faminaniana noresahin’i Matio.

Ny faminanian’i Isaia (11:1) momba ny Mesia angamba izy io. Izao no voalaza ao: “Hisy rantsana hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese, ary hisy tsimoka [venetser] hipoitra avy amin’ny fakany ka hamokatra.” Midika koa hoe tsimoka ny teny hebreo hoe tsemah, izay nampiasain’ny mpaminany hafa niresaka momba ny Mesia. “Mpaminany” maromaro no nolazain’i Matio fa nanambara ny fiavian’ilay “Tsimoka”, raha jerena ny teny tany am-boalohany. Noresahin’i Jeremia, ohatra, ny amin’ny “tsimoka marina” hipoitra avy amin’i Davida. (Je 23:5; 33:15) Naminany koa i Zakaria fa hisy mpanjaka sady mpisorona “antsoina hoe Tsimoka.” Tsy maintsy ho i Jesosy avy any Nazareta izy io, satria izy ihany no nanorina an’ilay Tempoly ara-panahy lehibe.​—Za 3:8; 6:12, 13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara