SAMPANA, TSIMOKA
Fizarazaran’ny vataben’ny hazo na renirano, ohatra, ny sampana. Nadika hoe “sampana”, “tsimoka”, ‘laingo’, ‘taho’, “solofo”, “rantsana”, ‘ravina’, ary ‘tendro’ ny teny hebreo sy grika maromaro, ao amin’ny Baiboly. Nampiasain’ny Israelita tamin’ny fanompoany an’i Jehovah ny sampan-kazo, satria sampan’ny hazo palmie, oliva, mirta, ary aravaha no nanaovany an’ireo trano rantsankazo nitoerany nandritra ny Fetin’ny Trano Rantsankazo rehefa Etanima na Tisry, volana fahafito.—Le 23:40; Ne 8:15.
Nanofahofa sampana palmie ny vahoaka tonga hamonjy ny Paska sy ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, ka niantsoantso an’i Jesosy hoe mpanjakan’ny Israely, rehefa niditra tao Jerosalema izy ny 9 Nisana taona 33. (Jn 12:12, 13) Manofahofa sampana palmie koa ny “vahoaka be” ao amin’ny fahitan’i Jaona, sady milaza fa avy amin’Andriamanitra izay eo amin’ny seza fiandrianana sy avy amin’ny Zanak’ondry ny famonjena.—Ap 7:9, 10.
Heviny an’ohatra. Tao amin’ny tanàna kelin’i Nazareta (mety hidika hoe “Tanàna-Tsimoka”) i Jesosy no lehibe. Nantsoina hoe Nazareanina (toa avy amin’ny hoe netser [heb.], tsimoka) i Jesosy, hoy ny apostoly Matio, ho fahatanterahan’ny faminaniana (toa niresaka an-kolaka ny Isaia 11:1 izy).—Mt 2:23.
Noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny sampan’ny hazo oliva an’ohatra, ireo anisan’ny taranak’i Abrahama handova ny Fanjakana any an-danitra. Nisy sampan’olivadia (hafa firenena) natao grefy ho solon’ny tena sampan’oliva (Jiosy) “notapahina”, satria Jiosy vitsy monja no nino an’i Kristy. Feno àry ilay isa nofidin’Andriamanitra, ka Jiosy sy hafa firenena no mahafeno azy.—Ro 11:17-24.
Ilazana zanaka na taranaka koa ny hoe ‘sampana’ sy ny teny iray tarika aminy etsy aloha, ao amin’ny Baiboly. Sampana (heb.: ben, “zanakalahy”) i Josefa, hoy i Jakoba tamin’izy nitso-drano ny zanany lahy. (Ge 49:22) Ho lany tamingana sy ho ripaka mandrakizay kosa ny fianakaviana iray na izay rehetra voalaza hoe tsy hisy hiangana na ny fakany na ny sampany.—Ml 4:1; ampit. Is 5:24; Ho 9:16.
Mpanompon’i Jehovah atao hoe “Tsimoka” (TV), “Rantsana” (Prot.) na “Solofo” (Kat.) i Jesosy Kristy, hoy ny faminanian’ny Soratra Hebreo. (Za 3:8) Hanorina ny tempolin’i Jehovah sy ho mpisorona hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany “ilay lehilahy antsoina hoe Tsimoka.” (Za 6:12, 13) I Jesosy Kristy izy io, satria izy irery no Mpanjaka sady Mpisorona voatendrin’Andriamanitra. Izy ilay “tsimoka” marina hapoitra ho an’i Davida, sy ilay hanao ny rariny sy hitsiny. (Je 23:5; 33:15; ampit. Is 53:2; Ap 22:16.) Antsoina koa hoe rantsana sy tsimoka hipoitra avy amin’ny fakan’i Jese rain’i Davida izy.—Is 11:1.
Tahaka ny “tsimoka tsy tiana” ka ariana fa tsy mendrika ny halevina ny tarana-mpanjaka tao Babylona, rehefa nifarana ny fanjakany.—Is 14:19.
I Jehovah Mpamorona no mampitsimoka ny zavamaniry sy hazo ambolena. Hotahiny ka hiroborobo sy hitombo àry ireo “tsimoka” sy ‘sampana’ namboleny ary ny toy izany. (Is 4:2; 60:21, 22; Jb 29:19) Hoy koa izy: ‘Handrobona tahaka ny ravinkazo [“sampana”, JM; “ravina maitso”, Prot.] ny marina.’—Oh 11:28.