FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Akanjom-boninahitra, Akanjona Mpaminany”
  • Akanjom-boninahitra, Akanjona Mpaminany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Akanjom-boninahitra, Akanjona Mpaminany
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Akanjo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fitafiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ohatra Iray Mampiseho Fahafoizan-tena sy Tsy Fivadihana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Volo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Akanjom-boninahitra, Akanjona Mpaminany”

AKANJOM-BONINAHITRA, AKANJONA MPAMINANY

ʼAdderet (heb.) no ilazana ny hoe “lehibe” na ‘voninahitra’ (Ezk 17:8; Za 11:3), sy ny akanjo na lamba lehibe vita amin’ny volom-biby na volonondry notenomina izay mety ho nasampy teo an-tsoroka.

Akanjo volom-biby ny hoe akanjom-boninahitra, raha jerena ny tantaran’i Esao lahimatoan’i Isaka. Tamin’izy teraka mantsy, dia ‘mena ny vatany manontolo, toy ny [akanjom-boninahitra] volom-biby. Koa natao hoe Esao ny anarany.’ (Ge 25:25) Toy ny akanjom-boninahitra ny vatany satria voloina be, fa tsy hoe satria mena.

Melôte (gr.; midika hoe hoditr’ondry na hoditra toy ny volonondry sady marokoroko) no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo an’ilay hoe ʼadderet, izay ilazana ny akanjona mpaminany nanaovan’i Elia sy Elisa. (1Mp 19:13) Vita tamin’ny hoditra mbola misy volony toy ny fanaon’ny Arabo sasany mpifindrafindra monina àry ilay akanjo. Mety ho ny akanjon’ny mpaminanin’i Jehovah no tao an-tsain’i Paoly, tamin’izy nilaza fa “nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy” ny mpanompon’Andriamanitra nenjehina. (He 11:37) Nitafy volon-drameva i Jaona Mpanao Batisa, nefa tsy voalaza hoe io ny azy no akanjona mpaminany.​—Mr 1:6.

Toa namantarana ny mpaminany sasany ireny akanjo ireny, na inona na inona nanaovana azy. Tonga dia fantatr’i Ahazia Mpanjaka, ohatra, fa i Elia mpaminany ilay nolazaina fa “lehilahy manao akanjo volom-biby, ary misy fehikibo hoditra eo amin’ny andilany.” (2Mp 1:8) Io ilay akanjo natsipin’i Elia teny amin’i Elisa sy nanosorany azy tamin’izy io niasa tany, ka lasa nanaraka azy i Elisa rehefa ‘voantso.’ (1Mp 19:19-21) Navelan’i Elia ho an’io mpandimby azy io ilay akanjo rehefa niakatra tao anaty tafio-drivotra izy, ka iny no nanasarahan’i Elisa ny Reniranon’i Jordana, toy ny nataon’ny tompony ihany. (2Mp 2:3, 8, 13, 14) Toa nisy nanao akanjo volom-biby hoenti-mamitaka koa ny mpaminany sandoka, mba hinoan’ny olona hoe iraka nampita ny hafatr’i Jehovah izy.​—Za 13:4.

ʼAdderet koa no ilazana ny akanjon’ny mpanjaka na akanjo lafo vidy, toy ilay ‘akanjom-boninahitra tsara tarehy avy any Sinara’ nangalarin’i Akana. (Js 7:21, 24) Nalaza ho nanamboatra akanjo tena tsara i Babylona fahiny, na Sinara. ‘Nesorin’ny mpanjakan’i Ninive ny akanjom-boninahiny’ tena raitra, ary nitafy lamba gony izy ho fibebahana.​—Jo 3:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara