FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Oga”
  • Oga

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Oga
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Edrehy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Sihona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Astarta, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Amorita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Oga”

OGA

(Ôga).

Amorita mpanjakan’i Basana. (1Mp 4:19) Mpanjaka nahery izy io nefa resin’ny Israelita talohan’ny hidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Anisan’ny Refaima, olona goavam-be, i Oga. Ngezabe tokoa ilay filanjana vy nitondrana ny fatiny. Angamba vatovy (bazalta) mainty no nanaovana ilay izy. Nirefy 4 m ny lavany, ary 1,8 m ny sakany. (De 3:11) Mpanjakan’ny Amorita tany atsinanan’i Jordana i Oga sy Sihona. (De 3:13; 4:46, 47) Ny faritra atsinanan’i Jordana, teo anelanelan’ny Tendrombohitra Hermona sy Jaboka, no nofehezin’i Oga. Nisy tanàna 60 voaro mafy sy tanàna kely maro izy io. (De 3:3-5, 8-10; Js 12:4, 5; ampit. No 21:23, 24.) I Edrehy sy Astarta no tanàn-dehibe tany.​—De 1:4; Js 13:12.

Voasazy hirenireny 40 taona ny Israely. Efa hifarana ilay sazy taloha kelin’ny hitobiany teo amin’ny Lemak’i Moaba. Vao avy nandresy an’i Sihona ny Israelita no nifandona tamin’ny tafik’i Oga tao Edrehy. Resin’izy ireo tanteraka i Oga, noho ny fanampian’Andriamanitra, ka novonoin’izy ireo izy sy ny miaramilany rehetra. Nalain’izy ireo koa ny tanànany rehetra. (No 21:33–22:1; De 3:1-13) Lasa lovan’i Manase ny tanin’i Oga. (No 32:33; De 3:13; Js 13:29-31) Nanjary nihorohoro ireo mponin’i Kanana noho iny fandresena niezinezina iny. Izy iny koa no anisan’ny nahatonga an’i Rahaba sy ny Gibeonita hitady fihavanana tamin’ny Israely mba tsy haharipaka azy ireo. (Js 2:10, 11; 9:9, 10) Tena nankahery an’ireo Israelita izy iny, ary mbola tsaroan’izy ireo taonjato maro tatỳ aoriana.​—De 31:4; Ne 9:22; Sl 135:10-12; 136:17-22.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara