FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Palmie”
  • Palmie

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Palmie
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitsidihana Zaridaina Iray Hafakely
    Mifohaza!—1999
  • Antrendry
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hazo Mitera-menaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hazo, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Palmie”

PALMIE

[Heb.: tamar, tômer (Mpts 4:5); gr.: fôiniks].

Karazana palmie koa ny antrendry (Phoenix dactylifera). Be azy io tany Palestina fahiny, nefa ny faritra sasany ihany izao sisa no misy. Toa nampiavaka an’i Palestina sy ny Lohasahan’i Neily (Nil) tany Ejipta fahiny sy ankehitriny izy io. Nampanao vola madinika maromaro misy soratra hoe “Judaea Capta [Babo i Jodia]” sy sarina vehivavy iray mitomany, mipetraka eo ambany palmie, i Vespasien, mpanjaka romanina, rehefa rava fanindroany i Jerosalema.​—SARY, Boky Faha-2, p. 751.

Faritra lonaka any an-tany efitra no misy hazo palmie, ka faly ireo mpandeha any rehefa mahatazana azy, toy ireo palmie 70 teo akaikin’ny loharano 12 tao Elima, toerana faharoa nijanonan’ny Israelita taorian’ny niampitany ny Ranomasina Mena.​—Ek 15:27; No 33:9.

Fahiny dia be hazo palmie ny moron’ny Ranomasin’i Galilia (Ny Adin’ny Jiosy, III, 516, 517 [x, 8]) sy ny toerana iva nafana tany amin’ny Lohasahan’i Jordana, ary indrindra fa nanodidina an’i En-jedy (Rakitry ny Ela Jiosy, IX, 7 [i, 2]) sy Jeriko, ilay “tanàna be hazo palmie.” (De 34:3; Mpts 1:16; 3:13; 2Ta 28:15) Nisy koa ny faritra avo, toy ilay “hazo palmie an’i Debora” teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima (Mpts 4:5), ary nisy nanodidina an’i Jerosalema, matoa ny raviny nampiasaina tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo (Le 23:40; Ne 8:15) sy tamin’i Jesosy niditra tao amin’ilay tanàna (Jn 12:12, 13). Tamara (“palmie”) no anaran’ny tanàna iray naorin’i Solomona. (1Mp 9:17, 18) Avy amin’ny hoe fôiniks (gr.) ny hoe Fenisia (azo inoana fa avy amin’ny fototeny midika hoe “hazo palmie”), anaran’ny tanin’i Tyro sy Sidona tatỳ aoriana (As 11:19; 15:3), ary angamba koa ny hoe Foiniksa, tanàna teo amin’ny nosy Kreta.​—As 27:12.

Tsara tarehy be ny hazo palmie mijoalajoala (mety hahatratra 30 m). Mahitsy sy tsy bokaboka ny vatany, ary lava sy misandrahaka ny raviny eny an-tendrony. Tian’ny ankizivavy erỳ ny anarana hoe Tamara, toy ny an’ny vinantovavin’i Joda (Ge 38:6), ny anabavin’i Absaloma (2Sa 13:1), ary ny zanakavavin’i Absaloma (voalaza fa “tsara tarehy be ilay zazavavy”). (2Sa 14:27) Toy ny hazo palmie ny fijoron’ilay tovovavy solemita, ary toy ny antrendry ny nonony. (To 7:7, 8) Miolikolika ny fibra ao anatin’ilay hazo ka mora milefitra ilay hazo nefa mafy.

Rehefa 10 ka hatramin’ny 15 taona ny palmie vao mamoa tsara, ary mamoa foana mandritra ny 100 taona latsaka kely. Mihavitsy avy eo ny voany, ary maty izy rehefa ho 200 taona. Mamoa isan-taona ny antrendry. Otazana rehefa Aogositra-Septambra ny tangozany mikirazorazo feno voa. Maro toy ny isan’ny andro ao anatin’ny taona, hoy ny Arabo, ny azo ampiasana ny palmie. Maro no azo ampiasana ny voany, ary anaovana tafo, rindrina, fefy, tsihy, harona ary vilia ny raviny. Anaovana tady sy tady mihazona ny lain-tsambo ny fibra avy aminy. Totoina hohanin’ny rameva ny voan’antrendry. Ahazoana savoka, siramamy, menaka, tanin (zavatra simika), ary dity ny hazo antrendry, ary anaovana toaka mahery toy ny trembo ny ranony.

Voaravaka sary sokitra hazo palmie tsara tarehy mamoa sy mijoro mahitsy ny aty rindrina sy varavaran’ny tempolin’i Solomona (1Mp 6:29, 32, 35; 2Ta 3:5) ary ny takela-barahin’ny kalesy tao. (1Mp 7:36, 37) Hazo palmie koa no nandravaka ny andry teo amin’ny vavahady sy ny aty rindrina ary varavaran’ny tempoly, tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. (Ezk 40:16-37; 41:15-26) Mijoro mahitsy sy avo ary mamoa ny palmie, ka azo anoharana ny ‘olo-marina nambolena tao an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah.’​—Sl 92:12, 13.

Nanofahofa sampana palmie ny vahoaka niantsoantso an’i Jesosy hoe “mpanjakan’ny Israely” (Jn 12:12, 13), ho fiderana azy sy ho fanekena ny fahefany. Mitana sampana palmie koa ny “vahoaka be”, izay miaiky fa avy amin’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ny famonjena azy.​—Ap 7:9, 10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara