FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Malemy, Aretina”
  • Malemy, Aretina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Malemy, Aretina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Enea
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tafaverina tany Kapernaomy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Tia Olona i Jesosy
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Nody tany Kapernaomy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Malemy, Aretina”

MALEMY, ARETINA

Malemy ny olona raha misy aretina mamely ny faritra iray na maro amin’ny vatany ka mahatonga ny hozatra ao tsy hiasa tsara na tsy hanan-kery. Mahatonga an’ilay faritra ho dontodonto na donto tanteraka koa io aretina io. Tratran’ilay aretina ny olona, raha misy voa ny rafi-pitatitra ao aminy na tsy miasa ara-dalàna, na raha misy hozatra mikainkona. Tsy tody any amin’ilay faritra amin’ny vatana àry ny baiko omen’ny atidoha, na tody ihany saingy tsy afaka manetsika an’ilay faritra ny hozatra. Maro ny anaran’ilay aretina ary misy karazany samihafa, ka mahafaty ny sasany. Anisan’ny mahatonga an’io aretina io ny aretina hafa (toy ny difiteria), na raha misy fahasimbana na misy fivontosana ny atidoha na ny tsokan-damosina, ohatra.

Nisy olona nalemy nositranin’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba mahagaga. (Mt 4:24) Nentina tany aminy ny iray tamin’ireny. Namela ny helony i Jesosy ary avy eo nanasitrana azy. Nasain’i Jesosy nobatainy ny fandrianany avy eo, ary nalefany nody izy. Nataony tokoa izany. (Mt 9:2-8; Mr 2:3-12; Lk 5:18-26) Nandry tao an-trano koa ny mpanompolahin’ny manamboninahitra iray, indray mandeha, satria nalemy ary efa ho faty. Nanasitrana azy avy tany lavitra i Jesosy. (Mt 8:5-13; Lk 7:1-10) “Nijaly mafy” io mpanompo io. (Mt 8:6) Mety hidika izany fa nanaintaina mafy izy. Tsy voatery ho izany koa anefa, satria mazàna no tsy manaintaina ny olona malemy. Mety hahare maharary ihany anefa izy, angamba hanaintaina ny hazondamosiny sy ny tongony na ny tanany raha ilay karazana aretina mampihovotrovotra (aretin’i Parkinson) no mahavoa azy. Faran’izay mampanaintaina koa ny karazana fahalemena vokatry ny kanseran’ny tsokan-damosina.

Nanasitrana olona maro nalemy i Filipo tamin’izy nitory sy nanao fahagagana tany Samaria. (As 8:5-8) Nalemy ny lehilahy atao hoe Enea tany Lyda, ary “efa valo taona izy io no nandry teo ambony fandriana.” Hoy i Petera taminy: “Ry Enea, manasitrana anao i Jesosy Kristy. Mitsangàna ary amboary ny fandriananao. Dia nitsangana avy hatrany i Enea.”​—As 9:32-35.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara