PAROSY
(Paròsy) [Parasy].
Razamben’ny fianakaviambe iray teo amin’ny Israely. Nisy 2172 ny taranany niaraka tamin’i Zerobabela niverina tany Jerosalema, tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:1-3; Ne 7:8) Nisy 150 hafa koa ny “taranak’i Parosy” niandraiketan’i Zakaria, izay tonga niaraka tamin’i Ezra tamin’ny 468 T.K. Tamin’izay fotoana izay, dia efa nanambady vehivavy hafa firenena ny sasany tamin’ireo tonga talohan’izy ireo tany Jerosalema. Nandroaka an’ireny vadiny ireny izy ireo tatỳ aoriana. (Ezr 8:1, 3; 10:25, 44) Nanamboatra ampahany tamin’ny mandan’i Jerosalema i Pedaia, anisan’ny fianakaviamben’i Parosy. (Ne 3:25) Anisan’ireo nanisy tombo-kase ny fifanekena hitandrina ny Lalàn’i Jehovah ny lohan’ny fianakaviamben’i Parosy, tatỳ aoriana.—Ne 9:38; 10:1, 14.