FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Pasora”
  • Pasora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Pasora
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Imera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Hamelombelona ny Reraka Aho”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • Malkia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nirahin’i Jehovah Hitory i Jeremia
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Pasora”

PASORA

(Pasòra).

1. Rain’i Gedalia. Io Gedalia io dia anisan’ireo andrianan’ny Joda tompon’andraikitra tamin’ny fanipazana an’i Jeremia tao anaty lavaka fanangonan-drano.​—Je 38:1, 4, 6.

2. Andriana anisan’ireo olona nirahin’i Zedekia Mpanjaka mba hanontany an’i Jeremia momba ny hoavin’i Jerosalema. (Je 21:1, 2) Nangataka tamin’ny mpanjaka koa i Pasora mba hamonoana an’i Jeremia. (Je 38:1, 4, 6) Antsoina hoe “zanak’i Malkia” izy ao amin’ireo andinin-teny roa ireo. Ahitana hoe “Pasora, zanak’i Malkia” koa ao amin’ny tetirazan’ireo mpisorona avy tany an-tsesitany tany Babylona. (1Ta 9:12; Ne 11:12) Raha mpisorona tokoa àry ilay andriana nantsoina hoe Pasora, dia mety ho taranany ireo nantsoina hoe “taranak’i Pasora” (No. 4).

3. Mpisorona “taranak’i Imera”, sady “lehiben’ny mpiadidy tao an-tranon’i Jehovah.” Nanohitra ny faminanian’i Jeremia i Pasora ka nikapoka azy sy nangeja azy tamin’ny boloky hazo, ary nandefa azy ny ampitson’iny. Nasain’i Jehovah nilaza mialoha taminy àry i Jeremia hoe hatao sesitany any Babylona izy ary ho faty any. Noho izany, dia novany ny anaran’i Pasora ka lasa hoe “Tahotra hatraiza hatraiza” (heb.: Magôhr missaviv). (Je 20:1-6) Miverimberina ao amin’ny boky nosoratan’i Jeremia io teny io.​—Je 6:25; 20:3, 10; 46:5; 49:29.

4. Fianakaviamben’ny mpisorona ny “taranak’i Pasora.” Nisy 1247 tamin’izy ireo niverina avy tany an-tsesitany niaraka tamin’i Jesoa mpisorona tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:1, 2, 36, 38; Ne 7:41) Nanambady vehivavy hafa firenena ny enina tamin’izy ireo, saingy nandroaka an’ireny vadiny ireny, taorian’ny nahatongavan’i Ezra tamin’ny 468 T.K.​—Ezr 10:22, 44; jereo No. 2.

5. Mpisorona na razamben’ny mpisorona iray, izay nanohana an’ilay fifanekena ny tsy hanambady vehivavy hafa firenena, tamin’ny andron’i Nehemia Governora.​—Ne 9:38; 10:1, 3, 8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara