FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Farpara”
  • Farpara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Farpara
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Damaskosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Zazavavy Kely Iray Niteny Tamin-kerim-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Amana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ilay Miaramila sy Ilay Ankizivavikely
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Farpara”

FARPARA

(Farpàra).

Iray amin’ireo “reniranon’i Damaskosy” nolazain’i Namàna fa tsara noho “ny rano rehetran’ny Israely.” (2Mp 5:12) Kely kokoa noho i Abana angamba izy io, matoa notononiny faharoa. Maro no mihevitra azy io ho Nahr el-ʼAʽvaj. Io ihany no renirano (tsy sampana renirano hafa) any amin’ny faritr’i Damaskosy, ankoatra an’i Nahr Barada (heverina fa i Abana). Kely kokoa noho i Barada i ʼAʽvaj, satria ampahefany eo ho eo monja. Misy sakelidrano vitsivitsy mipoitra avy amin’ny ilany atsinanan’ny tehezan-tendrombohitr’i Hermona, ary ireo no mitambatra ho Reniranon’i ʼAʽvaj, 30 km eo ho eo atsimoandrefan’i Damaskosy. Hady lalina be vato no lalan’ilay renirano manomboka eo, ary miafara any amin’ilay heniheny any atsimoatsinanan’i Damaskosy izy io. Tokony ho 64 km eo ho eo ny halavan’ilay renirano (hatrany amin’ny loharanony), raha refesina mahitsy.

Tsy ny rehetra anefa no manaiky hoe i ʼAʽvaj no Farpara. Tsy anisan’ny “reniranon’i Damaskosy” mantsy, hono, i ʼAʽvaj satria 15 km eo ho eo atsimon’ilay tanàna no misy azy. Misy àry milaza fa i Nahr Taora, iray amin’ny sampan’i Nahr Barada, no Farpara. Mety ho anisan’ilay Damaskosy noresahin’i Namàna koa anefa ny Lemak’i Damaskosy, izay ikorianan’i Nahr el-ʼAʽvaj.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara