FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ampongabendanitra”
  • Ampongabendanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampongabendanitra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Tena Vokatra any Amin’ilay Tany Soa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • En-rimona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Loha Andry
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ampongabendanitra”

AMPONGABENDANITRA

[Heb.: rimmôhn].

Hazo sy voankazo izay mitovy bika amin’ny paoma, mena antitra rehefa masaka, ary misy toy ny satroboninahitra kely. Mafy ny hoditr’ilay voankazo ary misy efitrefitra kely be ranony sady feno voa madinika mavokely na mena ao anatiny.

Be ampongabendanitra (Punica granatum; heb.: rimmôhn) any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Mahalana no mihoatra ny 4,5 m ny haavony. Maro rantsana misandrahaka izy io, maitso antitra ny raviny miendrika lohalefona, ary mena mivolondaoranjy na mena midorehitra ny voninkazony.​—SARY, Boky 1, p. 742.

Mahafa-ketaheta ny ranon’ampongabendanitra (To 8:2), ary ahazoana rano marihitra atao hoe grenadinina ny voany. Ny voninkazony kosa anaovana fanafodin’ny fivalanan-dra. Noharina tamin’ny “silaka ampongabendanitra” ny fihirifan’ilay tovovavy solemita nisarom-boaly, ary toy “ny saha mahafinaritra anirian’ny ampongabendanitra” ny hodiny.​—To 4:3, 13; 6:7.

Nampanantena an’ireo Israelita i Jehovah fa hitondra azy ireo any amin’ny tany misy varimbazaha, vary orza, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra, oliva, ary tantely. (De 8:7-9) Nitondra voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra tokoa ireo nirahina mialoha hijery taratra an’ilay tany. (No 13:2, 23) Efa fantatry ny Israelita tany Ejipta ny ampongabendanitra, araka ny fitarainany ao amin’ny Nomery 20:5.

Nisy ampongabendanitra vita tamin’ny kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena ary kofehy mena midorehitra niara-naolanolana sy noelanelanin’ny lakolosy volamena, ny morontongotr’akanjon’i Arona Mpisoronabe. (Ek 28:33, 34; 39:24-26) Noravahana rojo nasiana ampongabendanitra koa ny loha andry teo an-tampon’ny andry varahina roa teo anoloan’ny tilikambo fidirana nankao amin’ny tempoly.​—1Mp 7:18, 20, 42; 2Mp 25:17; 2Ta 3:16; 4:13; Je 52:22, 23.

Maro no namboly ampongabendanitra fahiny, ary nantsoina hoe Rimona sy En-rimona ary Gata-rimona ny tanàna sasany be azy ireny. (Js 15:32; 19:45; Ne 11:29) Be mpitia ny hazo ampongabendanitra, ary matetika izy io no miara-voatonona amin’ny zavamaniry hafa tena ilaina, toy ny voaloboka sy aviavy.​—To 7:12, 13; Jl 1:12; Hg 2:19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara