TOERANA FAMAKIAM-BATO
Toerana hadina ka akana vato isan-karazany, toy ny vatosokay sy marbra (izay tsy dia lalina). Toa famakiam-bato fahiny ny faritra lehibe iray eo akaikin’ny Vavahadin’i Damaskosy ao Jerosalema ankehitriny. Ny Josoa 7:4, 5 no miresaka voalohany momba ny toerana toy izany, satria lazainy fa nisy Israelita 3000 teo ho eo nandositra avy tany Ay ka tonga hatrany Sebarima (“Toerana Famakiam-bato”). Lehilahy an’aliny no nantsoin’i Solomona hamaky vatobe teny an-tendrombohitr’i Libanona, mba hatao fototry ny tempoly. (1Mp 5:13-18; 6:7) Anisan’ireo nokaramaina hanamboatra indray ny tempoly ny mpipai-bato, tamin’ny andron’i Joasy. (2Mp 12:11, 12) Nolavahana tao amin’ny vatolampy ny fasan’i Jesosy.—Mt 27:59, 60; Mr 15:46.
Nampiasa teny an’ohatra mazava tsara izay mampahatsiahy ny famakiam-bato i Jehovah. (Is 51:1) Toa i Abrahama izay niavian’ny Israely ilay “vatolampy”, ary i Saraha ilay “lavaka nohadina” satria oharina amin’ny lavaka ny kibony nitondra an’i Isaka razamben’ny Israely. (Is 51:2) Misy heviny hafa koa anefa ilay andininy satria teraka tamin’ny fomba mahagaga i Isaka noho ny herin’Andriamanitra. Milaza àry ny Deoteronomia 32:18 fa i Jehovah ilay “Vatolampy niteraka” ny Israely, “Ilay narary nihetsi-jaza niteraka [matoanteny mitovy amin’ny hoe niteraka i Saraha, Is 51:2]” azy ireo.
Teny hebreo iray ihany no ilazana indraindray ny toerana famakiam-bato sy izay novokarina avy teo, toy ilay hoe pesilim (“toerana famakiam-bato”) (Mpts 3:19, 26) izay nadika koa hoe ‘sary sokitra ivavahana.’ (De 7:5; Sl 78:58; Is 10:10) Mety ho teo amin’ny toerana be sampy (vita tamin’ny vato) àry, hono, i Ehoda no niverina mba hitsidika an’i Eglona. Ny ankamaroan’ny mpandika teny anefa nanao hoe “toerana famakiam-bato.”
Ahafantarana ny fomba fiasa fahiny ny toerana famakiam-bato taloha izay niasana vetivety. Nasiana lavaka lavalava sy lalina tao anaty vatolampy, ary nosisihana hazo maina. Nabontsina tamin’ny rano ilay hazo mandra-pitresaky ny vatolampy nanaraka ny hitsin’ny sosom-bato. Nisy vato efa ho dimy na folo taonina nalaina lavitra ny toeram-panorenana, tamin’ny andron’ny Romanina, ka natao teo ambony rambaramba (karazan-kalesy na hazo boribory natambatambatra) ary notaritaritin’ny andevo maro be.