MPIANDRAIKITRA NY SAKAFON’NY MIARAMILA
Manamboninahitra niandraikitra ny sakafo sy ny zavatra hafa nilain’ny miaramila. Azo ilazana an’ilay miandraikitra an’izay itobian’ny mpanjaka rehefa mandeha miady na mandeha lavitra ny teny hebreo hoe sar menohah (a.b.t.: andrianan’ny toeram-ponenana). Nanaraka an’i Zedekia mpanjakan’ny Joda nankany Babylona i Seraia, mpiandraikitra ny sakafon’ny miaramila, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’izy io. Nentiny ny boky nosoratan’i Jeremia momba ny fanamelohana an’i Babylona. Novakiny mafy tao an-tanàna ilay izy, nafatony tamin’ny vato, ary natsipiny tao amin’ny ranon’i Eofrata. Toy izany no hiafaran’i Babylona ka tsy hipoirany intsony.—Je 51:59-64.