FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Rehobota”
  • Rehobota

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehobota
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Zareda, Lohasaha Falehan-driakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Eofrata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Renirano
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sitna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Rehobota”

REHOBOTA

(Rehôbôta) [Toerana Malalaka].

1. Anarana lavadrano nolavahan’i Isaka. (Ge 26:22) Misy manam-pahaizana manombantombana hoe i Roheibeh (Horvat Rehovot [ba-Negev]), 35 km eo ho eo atsimoandrefan’i Beri-sheba, no Rehobota. Mitovitovy tokoa ireo anarana ireo. Nilaza i Isaka tamin’izy nandavaka an’ilay lavadrano fa nanome toerana malalaka azy ireo Andriamanitra. Afaka nihamaro àry izy sy ny mpiandry ondriny, ka tsy hanelingelina ny hafa intsony no tsy ho voahelingelin’izy ireo koa.

2. Tanàna niavian’i Saoly mpanjaka edomita, saingy tsy fantatra hoe taiza. (Ge 36:31, 37; 1Ta 1:43, 48) “Rehobota eo amoron’ny Renirano” no iantsoana azy io ao amin’ireo andininy ireo. I Eofrata matetika no antsoina hoe “ny Renirano” ao amin’ny Baiboly. (Sl 72:8; 2Ta 9:26; ampit. Ek 23:31 sy De 11:24.) Misy mpahay jeografia àry milaza fa mety ho ny iray tamin’ireo tanàna roa akaikin’ny fihaonan’ny reniranon’i Khabur sy Eofrata i Rehobota. Raha izany anefa no izy, dia ho lavitra be an’i Edoma ny tanàna niavian’i Saoly. Misy mpahay jeografia indray milaza fa mety ho renirano tany Edoma na teny akaikin’ny sisin-taniny ilay hoe “ny Renirano.” Mety ho i Zareda (Reniranon’i el-Hasaʼ), hono, izy io, izay mikoriana mankany amin’ny tendrony atsimon’ny Ranomasina Maty. Milaza àry i J. Simons, mpahay jeografia, fa mety ho toerana iray tany amin’ny 37 km teo ho eo atsimoatsinanan’ny tendron’ny Ranomasina Maty i Rehobota.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara