REFIDIMA
(Refidìma) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mamelatra”; na “mamelombelona”].
Toerana iray nitobian’ny Israelita, teo anelanelan’ny Ranomasina Mena sy ny Tendrombohitra Sinay. Rehefa niala tao amin’ny Tany Efitr’i Sina izy ireo dia nitoby tao Dopka, avy eo tao Alosy, ary tao Refidima. (Ek 17:1; No 33:12-14) Tsy nisy rano tao, ka nitaraina sy nila ady tamin’i Mosesy ny olona. Nirahin’i Jehovah i Mosesy ka naka anti-panahy vitsivitsy niaraka taminy tany amin’ny “harambato ao Horeba” (izany hoe tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Horeba, fa tsy ny Tendrombohitra Horeba). Nokapohiny tamin’ny tehiny ny harambato ka nivoaka rano, izay toa nikoriana hatrany amin’ilay toby tao Refidima.—Ek 17:2-7.
Notafihin’ny Amalekita ny Israelita tao Refidima. Nandresy anefa ny vahoakan’Andriamanitra, izay notarihin’i Josoa. (Ek 17:8-16) Araka ny filaharan’ny fitantarana, dia tamin’ny Israelita tao Refidima no nentin’ny rafozan’i Mosesy tany amin’i Mosesy i Zipora sy ireo zanany roa lahy. Tamin’izay koa ny rafozany no nanoro hevitra azy mba hifidy filoha hanampy azy hitsara ny vahoaka.—Ek 18:1-27.
Tsy fantatra izay tena nisy an’i Refidima. Samy manana ny lazainy ny manam-pahaizana, arakaraka ny fahalalany ny lalana narahin’ny Israelita teo anelanelan’ny Tany Efitr’i Sina sy ny Tendrombohitra Sinay. Manam-pahaizana maro no milaza ankehitriny fa i Refidima dia ny Lohasaha Falehan-driaka Refayied, avaratrandrefana kelin’ny toerana lazain’ny lovantsofina fa nisy ny Tendrombohitra Sinay. Misy havoana antsoina hoe Refayied eo amin’io lohasaha io, ary mety ho teo i Mosesy no nijoro sy nanangana ny tanany nandritra ilay ady tamin’ny Amalekita.