FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Horeba”
  • Horeba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Horeba
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Sinay
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Refidima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Sinay — Tendrombohitr’i Mosesy Sady Tendrombohitry ny Famindram-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Horeba”

HOREBA

(Hôrèba) [Maina; Tany Efitra].

“Tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra.” Toa io ihany no Tendrombohitra Sinay. (1Mp 19:8; Ek 33:6) Matetika anefa i Horeba no heverina ho ilay faritra be tendrombohitra manodidina ny Tendrombohitra Sinay. Antsoina koa hoe Tany Efitr’i Sinay io faritra io.​—De 1:6, 19; 4:10, 15; 5:2; 9:8; 18:16; 29:1; 1Mp 8:9; 2Ta 5:10; Sl 106:19; Ml 4:4; ampit. Ek 3:1, 2; As 7:30; jereo SINAY No. 1 sy 2.

Niseho tamin’i Mosesy tao Horeba ny anjelin’i Jehovah, teo afovoan’ny voaroy nirehitra, ka naniraka azy hitondra ny Israely hiala tany Ejipta. (Ek 3:1-15) Nahazo fahafahana àry ny Israelita. Tonga tao Refidima izy ireo taorian’izay, ary nitaraina satria tsy nisy rano hosotroina tao. Nasain’i Jehovah nokapohin’i Mosesy tamin’ny tehiny àry ny harambato iray, izay azo inoana fa tao amin’ny faritra be tendrombohitr’i Horeba. Niaraka taminy ny anti-panahy vitsivitsy teo amin’ny Israely tamin’izay. Nisy fahagagana nitranga satria nisy rano nivoaka avy tamin’ilay harambato. (Ek 17:1-6; ampit. Sl 105:41.) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nankany Horeba i Elia mpaminany ary nanaraka ny lalana nandalo an’i Beri-sheba, mba handosirana an’i Jezebela vadin’ny mpanjaka.​—1Mp 19:2-8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara