FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Rodo”
  • Rodo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rodo
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Kinido
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ranomasina Lehibe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Saiky Nahita Loza Tany Amin’ny Ranomasina”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Rodo”

RODO

(Ròdo) [Raozy].

Nosy teo amin’ny zorony atsimoandrefan’i Torkia, ary anisan’ireo nosy lehibe tany amin’ny Ranomasina Égée. Tokotokony ho 75 km ny lavany ary 35 km ny sakany. Rodo koa no anaran’ny renivohiny. Tamin’ny faramparan’ny dia misionera fahatelo nataon’i Paoly (t. 56), dia tonga tao Rodo ny sambo nandehanany, rehefa niala tao Kosy.​—As 21:1.

Nalaza ho foiben’ny varotra efa hatry ny ela i Rodo, satria sady tsara toerana no kanto ireo seranana tao. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia toa ilay tanàna mihitsy no lasa foibe ara-kolontsaina.

Teo akaikin’ny seranana no natsangana Ilay Goavam-be tao Rodo (sarivongana halimo, sarin’i Hélios andriamanitra masoandro). Iray amin’ireo “zava-mahatalanjona fito” naneran-tany fahiny izy io, ary voalaza fa 31 m teo ho eo ny haavony. Nazeran’ny horohoron-tany ilay sarivongana tamin’ny taonjato fahatelo T.K., ka tsy teo intsony izy io tamin’ny andron’i Paoly. Mbola nisy ampahany lehibe tamin’izy io ihany anefa tavela tatỳ aorian’ny andron’i Kristy. Voalaza fa nisabaka teo amin’ny fidirana nankao amin’ilay seranana ilay sarivongana, ka teo anelanelan’ny tongony no nivezivezen’ny sambo. Tsy misy porofo manamarina izany anefa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara