FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Rifata”
  • Rifata

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rifata
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Difata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Rodanima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Daleta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Resa, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Rifata”

RIFATA

(Rifàta).

Zanakalahin’i Gomera sady zafikelin’i Jafeta. (Ge 10:2, 3; 1Ta 1:6) “Difata” no ao amin’ny 1 Tantara 1:6 ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta, fa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina ary ny sora-tanana hebreo 30 eo ho eo kosa manao hoe “Rifata.” Diso angamba teo ilay mpanao dika soratra, ka ny litera hebreo dalet (ד) indray no nosoratany fa tsy hoe rehsh (ר), izay litera mitovitovy aminy.

I Rifata no iray amin’ireo razamben’ny firenena sy vahoaka niely teto ambonin’ny tany, taorian’ny Safodrano naneran-tany. (Ge 10:32) Ny asa soratr’i Josèphe tamin’ny taonjato voalohany no hany miresaka momba ny taranany. Nantsoina hoe Rifeanina, hono, taloha ny mponina voalohany tany Paflagonia (morontsiraka atsimon’ny Ranomasina Mainty, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Azia Minora). Ampifandraisan’ny manam-pahaizana sasany amin’i Reba, renirano iray any amin’iny faritra iny, koa ny hoe Rifata. Ny hafa indray mampifandray azy io amin’ny faritr’i Rebantia any amin’ny faritr’i Bosphore, any andrefana kokoa. Tsy fantatra anefa hoe hoe iza marina ny taranak’i Rifata, satria tsy miresaka firy momba azy ny Baiboly sy ny tantara fahiny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara