RENIRANON’I EJIPTA
Nampanantena i Jehovah fa homeny ho an’ny taranak’i Abrahama ny tany “hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta” ka hatrany amin’ny Reniranon’i Eofrata. (Ge 15:18) Milaza ny ankamaroan’ny mpivaofy teny fa ny “reniranon’i Ejipta” dia ny “lohasaha falehan-driakan’i Ejipta”, fantatra ankehitriny ho ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArish any amin’ny Saikinosin’i Sinay. Any amin’ny 150 km eo ho eo, any atsinanan’ny Port-Saïd, io renirano io no mivarina ao amin’ny Ranomasina Mediterane. (Jereo EJIPTA, LOHASAHA FALEHAN-DRIAKAN’I.) Misy Baiboly mampiasa ny hoe “reniranon’i [shihôhr] Ejipta” (TV) ao amin’ny 1 Tantara 13:5, ary mety ho ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArish ihany koa izy io. Mety ho sampany iray amin’ny reniranon’i Neily koa anefa no resahin’ireo andinin-teny roa ireo.—Jereo SIHORA.