FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sihora”
  • Sihora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sihora
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Reniranon’i Ejipta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ejipta, Lohasaha Falehan-driakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Renirano
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Neily
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sihora”

SIHORA

(Sihôra) [avy amin’ny teny ejipsianina, ary midika hoe “Dobon’i Horus”].

Azo inoana fa ny sampany farany atsinanan’ny Reniranon’i Neily, eo amin’ny faritry ny Vinany. Miverina inefatra ao amin’ny soratra tany am-boalohany ny teny hebreo shihôhr, ary voatonona foana miaraka amin’ny hoe Ejipta. (Js 13:3, “sampan’i Neily”; 1Ta 13:5, ‘renirano’; Is 23:3; Je 2:18) Misy mpivaofy teny milaza fa “ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta” (No 34:5) izy io, izany hoe ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArish eo atsimoandrefan’i Gaza. Toa misy ifandraisany kokoa amin’i Ejipta sy Neily anefa izy io, fa tsy amin’ilay lohasaha falehan-driaka, raha jerena ny Jeremia 2:18 sy Isaia 23:3. Miresaka ny amin’ny “vokatr’i Sihora” mantsy i Isaia. Toa renirano mikoriana (nahar) àry izy io, fa tsy riaka (nahal) amin’ny fotoanan’ny orana fotsiny. Izany no antony ilazana fa ilay Sihora resahin’ireo andininy roa ireo, dia ilay sampany farany atsinanan’i Neily (rehefa avy misampantsampana eo amin’ny faritry ny Vinany i Neily). Tsy mahagaga àry raha lazaina hoe “tandrifin’i Ejipta”, izany hoe eo atsinanan’i Ejipta, izy io ao amin’ny Josoa 13:3.

Miresaka ny amin’ny tany mbola tokony halain’ny Israelita taorian’ny fandresen’i Josoa, io andininy io sy ny andininy manodidina. Voalaza eo fa tokony ho “hatrany amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata” izany. (Js 13:1-6) Milaza kosa ny Nomery fa “hipaka amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta” “ka hatreo amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata” ny sisin-tanin’ny lovan’ny Israely. Izany no mahatonga ny olona sasany hilaza hoe ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArish no Sihora. (No 34:2, 5, 7, 8) Hita ao amin’ny Baiboly sasany (TV) anefa fa ny firesahan’ny Josoa 13:3 an’i Sihora (na “ny sampan’i Neily”, TV), dia fanazavana fotsiny ny hoe nipaka hatraiza ny farany atsimoandrefan’ny tanin’ny Kananita. Tsy ny tany halain’ny Israelita àry no resahin’io andininy io. Resahiny fotsiny hoe efa nisy fotoana nipetrahan’ny Kananita hatrany amin’ny farany atsinanan’i Ejipta.

Voalaza fa novorin’i Davida ny vahoakan’Israely hatrany Sihora (“ny reniranon’i Ejipta”, TV) ka hatrany Hamata, rehefa nakarina tany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena. Voalaza koa anefa fa nivory ny vahoaka “avy any amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta”, tamin’ny andron’i Solomona. (1Ta 13:5; 1Mp 8:65) Ilay andininy momba ny andron’i Solomona angamba miresaka hoe taiza no tena sisin-tanin’ny Israely. Tany efitra misy kirihitra mantsy ilay faritra eo anelanelan’ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArish sy ny sampany atsinanan’i Neily, ka mety tsara raha io lohasaha falehan-driaka io no sisin-tanin’ny faritra azon’ny Israelita nipetrahana. Ilay andininy momba ny andron’i Davida kosa angamba miresaka momba ny faritra manontolo nofehezin’i Davida, izay nipaka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.

Efa nanenjika an’ireo Amalekita hatrany Sora “tandrifin’i Ejipta” i Saoly, izay nanjaka talohan’i Davida. (1Sa 15:7) Hatrany amin’ny “sisin-tanin’i Ejipta” koa ny faritra nofehezin’i Solomona nolovany tamin’i Davida. (1Mp 4:21) Tsy nihoatra ny “lohasaha falehan-driakan’i Ejipta” àry ny faritra nozaraina tamin’ny fokon’ny Israely. Na izany aza, dia mety hitombina ihany ny filazana hoe “sampan’i Neily” (Js 13:3) sy “reniranon’i Ejipta” (1Ta 13:5) i Sihora.

Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah ao amin’ny Genesisy 15:18 fa homeny tany “hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata, ilay renirano lehibe” izy. Tsy voatonona ao anefa i “Sihora.” Tsy fantatra koa àry eto na sampan’i Neily na ilay “lohasaha falehan-driakan’i [nahal] Ejipta” (Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArish) no tiana holazaina amin’ny hoe reniranon’i Ejipta [endriny hafa amin’ny hoe nahar ny hoe “renirano”]. Raha ilay faritra nomena ny fokon’ny Israely mantsy no tian’i Jehovah holazaina, dia azo inoana fa ny Lohasaha Falehan-driaka el-ʽArish ilay ‘renirano.’ Raha ny faritra midadasika indrindra nofehezin’ny Israelita kosa, dia i Sihora ilay izy.​—Jereo EJIPTA, LOHASAHA FALEHAN-DRIAKAN’I.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara