FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Salema”
  • Salema

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Salema
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Melkizedeka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ho tonga ny faran’ny “Bokin’ny Adin’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Save, Lemaka Ivan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Salema”

SALEMA

(Salèma) [Fiadanana].

Tanàna fahiny, ka i Melkizedeka no mpanjaka sy mpisorona tao. (Ge 14:18) Hamarinin’ny Hebreo 7:2 fa “Fiadanana” no dikan’io anarana io. Nosoratana amin’ny endriny milaza roa ilay teny hebreo hoe “Salema” (ao amin’ny anarana hoe Jerosalema), ka azo adika hoe “Fiadanana Roa Sosona.”

Lazain’ny lovantsofina jiosy fahiny fa i Salema ihany no Jerosalema, ary manamarina izany ny Baiboly. Nitsena an’i Abrahama teo amin’ny “Lemaka Ivan’ny mpanjaka” ny mpanjakan’i Sodoma sy i Melkizedeka. Teo akaikin’i Jerosalema renivohi-panjakana io lemaka iva io, matoa teo no nanao tsangambato i Absaloma zanak’i Davida Mpanjaka, taonjato maro tatỳ aoriana. (Ge 14:17, 18; 2Sa 18:18) Ao anatin’ny anarana hoe “Jerosalema” ilay teny hoe “Salema” izay nataon’ny mpanao salamo nifanitsy tamin’i “Ziona.” (Sl 76:2) Rariny raha tao amin’ilay toerana naha mpanjaka sy mpisorona an’i Melkizedeka ihany no nanjaka ireo mpanjaka taranak’i Davida ary nanompo ireo mpisorona taranak’i Levy. Rariny raha tao koa no natao sorona i Jesosy Kristy, ilay voatendry ho mpanjaka sy mpisorona “tahaka an’i Melkizedeka.”​—He 3:1; 7:1-3, 15-17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara