LOHASAHAN-TSIRA
Lohasaha nandresen’ny Israelita ny Edomita indroa. (2Sa 8:13; 2Mp 14:7) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy. Manam-pahaizana maro anefa no milaza azy io ho toerana iray tany akaikin’i Beri-sheba na tany atsimon’ny Ranomasin-tsira.
Misy lohasaha falehan-driaka antsoin’ny Arabo hoe el-Milh (midika hoe Lohasahan-tsira) any atsinanan’i Beri-sheba any Negeba. Mety ho io ilay toerana satria afaka nifanandrina teo ny Jodianina avy tany avaratra sy ny Edomita avy tany atsimoatsinanana. Misy anefa manam-pahaizana milaza fa tany atsimo atsimoandrefan’ny Ranomasin-tsira, tany Edoma, no nisy an’ilay Lohasahan-tsira resahin’ny Baiboly. Sarotra inoana ny hisian’ny ady teo satria feno heniheny io faritra iva io ankehitriny. Mafimafy angamba ny tany teo amin’io lemaka io tamin’ny fotoana nisian’ilay ady, tamin’ny mbola tsy nisondrotra ny Ranomasin-tsira. Mety ho teo amin’ny ampahan’ilay lohasaha izay tsy nisy heniheny koa anefa no nanomboka ilay ady. Taorian’ilay ady faharoa, dia Edomita 10 000 no navarina avy teny an-tampon’ny harambato iray, mba ho faty. Tsy voalaza anefa hoe taiza no nisy an’io harambato io.—2Ta 25:11, 12.
Tamin’ilay ady voalohany, dia nahafaty Edomita 18 000 teo amin’ny Lohasahan-tsira i Davida sy Joaba (toa niaraka tamin’izy ireo koa i Abisay, izay nifehy ny miaramila sasany). (2Sa 8:13; 1Mp 11:15; 1Ta 18:12; Sl 60 t.m.) Teo amin’io lohasaha io koa i Amazia Mpanjaka (858-830 T.K.) no niady ka nahafaty Edomita 10 000. Nisambotra Edomita 10 000 hafa izy ireo avy eo ka novonoiny, ary azon’izy ireo i Sela, tanàna voaro mafin’ny Edomita.—2Mp 14:7; 2Ta 25:11, 12; jereo EDOMA, EDOMITA.